Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 14:9 - Baiboly Katolika

Naka tamin’io izy teo an-tanany, nohaniny teny an-dalana, ka nony nahatratra an-drainy aman-dreniny izy, nomeny koa ireo dia nihinana; nefa tsy nolazainy tamin’ireo fa nalainy tamin’ny vatan’ilay liona ny tantely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nakan’i Samsona tamin’ny tanany izany, dia nihinana teny am-pandehanana izy; ary nankany amin’ny ray aman-dreniny izy dia nanome azy ka nihinana koa izy mivady. Tsy nambarany taminy anefa fa tao amin’ny fatin’ilay liona no nakany ny tantely.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nalainy tamin’ny tanany ny tantely ka nihinanany teny am-pandehanana. Ary nankany amin’ireo ray aman-dreniny izy, dia nanome tantely azy ka nihinana koa izy mivady; nefa tsy nambaran-janany taminy fa tao anatin’ny vondron-taolana fatin-diona no nangalany azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nalainy tamin’ny tanany ny tantely ka nihinanany teny am-pandehanana. Ary nankany amin’ireo ray aman-dreniny izy, dia nanome tantely azy ka nihinana koa izy mivady; nefa tsy nambaran-janany taminy fa tao anatin’ny vondron-taolana fatin-diona no nangalany azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nalain’i Samsona izany ka nentiny teny an-tànany, dia nihinana teny am-pandehanana izy; ary nankany amin’ny rainy aman-dreniny izy, dia nanome azy, ka nihinana koa izy mivady; nefa tsy nambarany taminy fa tao amin’ny fatin’ilay liona no nangalany ny tantely.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nalain'i Samsona izany ka nentiny teny an-tànany, dia nihinana teny am-pandehanana izy; ary nankany amin'ny rainy aman-dreniny izy, dia nanome azy, ka nihinana koa izy mivady; nefa tsy nambarany taminy fa tao amin'ny fatin'ilay liona no nangalany ny tantely.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nakan’i Samsona tamin’ny tanany izany, dia nihinana teny am-pandehanana izy; ary nankany amin’ny ray aman-dreniny izy dia nanome azy ka nihinana koa izy mivady. Tsy nambarany taminy anefa fa tao amin’ny fatin’ilay liona no nakany ny tantely.

Jereo ny toko



Mpitsara 14:9
7 Rohy Ifampitohizana  

Anaka, mihinàna tantely fa tsara izany, ho mamy eo am-bavanao ny takela-tantely.


Ny fahari-po mety hampiekena ny mpitsara; ary ny vava malefaka, mahafolaka ny taolana.


Nidina nankany amin’ilay vehivavy ny rain’i Samsôna, ary nanao fanasana teo i Samsôna, fa izany no fanaon’ny zatovo.


Nony afaka kelikely niverina mba handray azy izy, ka nivily hizaha ny fatin’ilay liona, ary indro nisy antokon-drenitantely sy tantely teo amin’ny vatan’ilay liona.


Dia hoy i Saola tamin’ity rahalahin-drainy: «Nambarany taminay fa efa hita ny ampondra.» Fa tsy nolazainy taminy ny momba ny fanjakana nambaran’i Samoela azy.


Indray andro izay, hoy i Jônatasy tamin’ny zatovo nitondra ny fiadiny: «Andeha isika hiampita eny amin’ny antoko miaramilan’ny Filistinina erỳ an-dafy». Tsy nolazainy tamin-drainy anefa izany.