Tsy ianareo rehetra no antsoiko (fantatro izay nofidiko); fa mba ho tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: Izay miara-mihina-mofo amiko no nanainga ny ombalahin-tongony hamely Ahy.
Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan’ny mpampakatra izay mitsangana eo sy mihaino azy, dia faly tokoa mandre ny feon’ny mpampakatra; ary izany hafaliana izany no tanteraka amiko,
Dia hoy ny Filistinina: «Iza no nanao izany?» Ka nisy namaly hoe: «I Samsôna, vinanton’ilay Tamnaana; fa nalain’io taminy ny vadiny ka nomeny ny sakaizany.» Dia niakatra ny Filistinina ka nandoro an-dravehivavy mbamin’ny rainy.
Kanjo nony tonga ny fotoana tokony hanomezana an’i Meroba zanakavavin’i Saola, ho an’i Davida, dia nomena ho vadin’i Hadriela, any Molati, indray kosa izy.