Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 13:18 - Baiboly Katolika

Ary hoy ny navalin’ilay Anjelin’i Iaveh azy: «Ahoana no anontanianao ahy ny anarako? Mahagaga no izy».

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hoy ilay Anjelin’NY TOMPO taminy: Nahoana no manontany ny anarako ianao? Anarana mahagaga izany!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary hoy ilay anjelin’ny TOMPO taminy: –Ahoana moa no anontanianao ny anarako? Anarana mahagaga izany!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary hoy ilay anjelin’ny TOMPO taminy: –Ahoana moa no anontanianao ny anarako? Anarana mahagaga izany!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Ilay Anjelin’i Jehovah taminy: Nahoana no manontany ny anarako hianao? fa anarana mahagaga izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Nahoana no manontany ny anarako ianao? Fa anarana mahagaga izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hoy ilay Anjelin’NY TOMPO taminy: Nahoana no manontany ny anarako ianao? Anarana mahagaga izany!

Jereo ny toko



Mpitsara 13:18
7 Rohy Ifampitohizana  

Dia mba nanontany azy kosa i Jakôba nanao hoe: «Masìna ianao, mba ampahalalao ahy kely ny Anaranao.» Fa hoy izy: «Ahoana no anontanianao ny Anarako?» Dia nitso-drano azy teo izy.


Ary nataon’i Jakôba hoe Fanoely ny anaran’io tany io, fa hoy izy: «Efa nahita an’Andriamanitra nifanatrika aho, nefa velona ihany ny aiko.»


Ary hoy ny Levita, Jôsoe, Kedmiela, Banỳ, Hasebniasa, Sarebiasa, Odaiasa, Sebniasa, Fatatiasa: «Mitsangàna ianareo ka misaora an’i Iaveh Andriamanitrareo, mandrakizay mandrakizay! «Hisaorana anie ny Anaranao be voninahitra, izay mihoatra noho ny fisaorana amam-piderana rehetra!


Mitandrema tena eo anatrehany ary henoy ny feony; aza manohitra azy, fa tsy hamela ny fandikanareo ny didiny izy, satria ny Anarako no eo aminy.


Fa misy zaza teraka ho antsika; zazalahy nomena antsika; ka ny fanjakana napetraka eo an-tsorony; ary ny anarany atao hoe: Mpanolo-tsaina mahagaga, Andriamanitra mahery, Ray mandrakizay, Andrian’ny fiadanana,


mba hanitatra ny fanjakana, sy hanome fiadanana tsy manam-pahataperana, ho an’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenany azy sy hanamafisany azy, amin’ny hitsiny sy ny rariny, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Ny zotom-pon’i Iavehn’ny tafika no hanatanteraka izany.


Dia nandeha nilaza tamin’ny lahy ravehivavy nanao hoe: «Nisy olon’Andriamanitra tonga tatỳ amiko; tahaka ny Anjelin’Andriamanitra no fijery ny endriny, endrika mahatahotra. Tsy nanontany izay niaviany aho ary izy tsy nampahalala ahy izay anarany;