Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 13:14 - Baiboly Katolika

tsy hihinana na inona na inona rehefa mety ho zavatra avy amin’ny voaloboka; tsy hisotro divay na lalikera mahery izy, ary tsy hihinan-java-maloto izy: hotandremany avokoa izay rehetra nandidiako azy.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izay rehetra avy amin’ny voaloboka dia aza avela hohaniny, ary aza avela hisotro divay na toaka izy, na hihinana izay zavatra tsy madio na inona na inona izany; izay rehetra nandidiako azy dia aoka hotandremany avokoa.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

tsy mahazo mihinana izay rehetra avy amin’ny voaloboka izy, tsy hisotro divay na toaka, tsy hihinana sakafo maloto; izay rehetra nandidiako azy dia tokony hotandremany avokoa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

tsy mahazo mihinana izay rehetra avy amin’ny voaloboka izy, tsy hisotro divay na toaka, tsy hihinana sakafo maloto; izay rehetra nandidiako azy dia tokony hotandremany avokoa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izay rehetra avy amin’ny voaloboka dia aza avela hohaniny, ary aza avela hisotro divay na toaka izy, na hihinana akory izay zava-padina; izay rehetra nandidiako azy dia aoka hotandremany avokoa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izay rehetra avy amin'ny voaloboka dia aza avela hohaniny, ary aza avela hisotro divay na toaka izy, na hihinana akory izay zava-padina; izay rehetra nandidiako azy dia aoka hotandremany avokoa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izay rehetra avy amin’ny voaloboka dia aza avela hohaniny, ary aza avela hisotro divay na toaka izy, na hihinana izay zavatra tsy madio na inona na inona izany; izay rehetra nandidiako azy dia aoka hotandremany avokoa.

Jereo ny toko



Mpitsara 13:14
10 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy kosa izy ireo: «Tsy mba misotro divay izahay: satria izao no didy napetrak’i Jônadaba, zana-dRekaba, razanay, taminay: ‹Aza misy misotro divay, na ianareo na ny zanakareo mandrakizay;


«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mitokana noho ny voady, dia voady ho nazareàna izany, mba hanokan-tena ho voninahitra ho an’i Iaveh,


Mandritra ny fotoana rehetra maha nazareàna azy, dia tsy hihinan-javatra avy amin’ny voaloboka izy, hatramin’ny voany ka hatramin’ny hodiny.


ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»


Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo.


Dia hoy ny Reniny tamin’ny mpanompo: «Ataovy izay rehetra holazainy aminareo.»


Tovy sy araho izay rehetra andidiako anareo, fa aza ampiana, aza anesorana.


Matoky anareo ao amin’ny Tompo izahay, fa sady manao no mbola hanao ny zavatra nandidianay ianareo.


Ary ankehitriny mitandrema tsara, fa aza misotro divay na lalikera mahery, na mihinan-java-maloto,


fa izao no nolazainy tamiko: Efa hanana anaka ianao, ka hitera-dahy; koa ankehitriny aza misotro divay na lalikera mahery na mihinan-java-maloto, fa ho nazarean’Andriamanitra io zaza io hatrany am-bohoka ka mandra-pahafatiny».