Raha izany dia lasa nody izy ireo, ka tonga teo am-pantsakan’i Fitsarana, dia i Kadesa izany, ka namely ny tanin’ny Amalesita rehetra mbamin’ny Amôreana izay nonina tany Asasôn-Tamara.
Mpitsara 12:15 - Baiboly Katolika Nandritra ny valo taona izy no mpitsara tamin’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia maty i Abdona, zanak’i Elela, avy any Piratona, ka nalevina tany Piratona, any amin’ny tanin’i Efraima any amin’ny tendrombohitry ny Amalekita. DIEM PROTESTANTA avy eo dia maty izy, ka nalevina tao Pirehatôna, any amin’ny faritanin’i Efraîma, eo amin’ilay hoe tendrombohitry ny Hamalekita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara avy eo dia maty izy, ka nalevina tao Pirehatôna, any amin’ny faritanin’i Efraîma, eo amin’ilay hoe tendrombohitry ny Hamalekita. Baiboly Protestanta Malagasy Dia maty Abdona, zanak’i Elela, avy any Piratona, ka nalevina tany Piratona, any amin’ny tanin’ny Efraima any amin’ny tany havoan’ny Amalekita. Malagasy Bible Dia maty Abdona, zanak'i Elela, avy any Piratona, ka nalevina tany Piratona, any amin'ny tanin'ny Efraima any amin'ny tany havoan'ny Amalekita. La Bible en Malgache dia maty i Abdona, zanak’i Elela, avy any Piratona, ka nalevina tany Piratona, any amin’ny tanin’i Efraima any amin’ny tendrombohitry ny Amalekita. |
Raha izany dia lasa nody izy ireo, ka tonga teo am-pantsakan’i Fitsarana, dia i Kadesa izany, ka namely ny tanin’ny Amalesita rehetra mbamin’ny Amôreana izay nonina tany Asasôn-Tamara.
Taorian’izy io, dia i Abdôna, zanak’i Ilela, avy any Faratôna, no mpitsara tamin’i Israely.
Nanan-janaka efapolo lahy sy zafy telopolo lahy izy, izay nitaingina zanak’ampondra telopolo.
Ary nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh indray ny zanak’i Israely ka natolotr’i Iaveh eo an-tanan’ny Filistinina, nandritra ny efapolo taona.
Nikambana tamin’ny taranak’i Amôna sy i Amaleka, i Eglôna, dia niainga nandeha. Nandresy an’i Israely izy ka nanafaka ny tanànan-drofia.
Vao tonga izy dia notsofiny ny trômpetra tany amin’ny tendrombohitra Efraima. Nidina avy any amin’ny tendrombohitra niaraka taminy, ny zanak’i Israely, ary izy no nitarika azy ireo.
Avy any amin’i Efraima ny olona izay mandatsa-paka amin’i Amaleka; nikambana tamin’ny antokonao i Benjamina teo aorianao; avy any amin’i Makira nisy lehibe nidina, avy any amin’i Zabolôna nisy mpitondra nitana ny tehin’ny mpanoratra.