dia atao hoe Mitsipà koa no anarany, satria hoy i Labàna: «I Iaveh hanao andry maso ahy sy ianao, rehefa tafasaraka tsy mifankahita isika.
Mpitsara 11:29 - Baiboly Katolika Dia tonga tamin’i Jefte ny Fanahin’i Iaveh, ka nandeha namaky an’i Galaada sy i Manase izy, ary tonga hatrany Masfà, any Galaada: ary avy ao Masfà dia nandroso hamely ny taranak’i Amôna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary tonga tamin’i Jefta ny Fanahin’NY TOMPO, dia nandeha nitety an’i Gileada sy Manase izy; nitety an’i Mizpa any Gileada koa izy ka niala tany Mizpa any Gileada, dia nandroso nankany amin’ny Amonita. DIEM PROTESTANTA Ary nirotsaka tao amin’i Jiftà ny Fanahin’ny TOMPO, dia nandeha nitety ny faritanin’i Gilehada sy i Manase izy, ary tonga tao Mitsepà any Gilehada mba hiampita ho any amin’ny faritanin’ny Hamônita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nirotsaka tao amin’i Jiftà ny Fanahin’ny TOMPO, dia nandeha nitety ny faritanin’i Gilehada sy i Manase izy, ary tonga tao Mitsepà any Gilehada mba hiampita ho any amin’ny faritanin’ny Hamônita. Baiboly Protestanta Malagasy Ary tonga tao amin’i Jefta ny Fanahin’i Jehovah, dia nandeha nitety an’i Gileada sy Manase izy; ka dia nitety an’i Mizpa any Gileada koa izy ka niala tany Mizpa any Gileada, dia nandroso nankany amin’ny taranak’i Amona. Malagasy Bible Ary tonga tao amin'i Jefta ny Fanahin'i Jehovah, dia nandeha nitety an'i Gileada sy Manase izy; ka dia nitety an'i Mizpa any Gileada koa izy ka niala tany Mizpa any Gileada, dia nandroso nankany amin'ny taranak'i Amona. La Bible en Malgache Ary tonga tamin’i Jefta ny Fanahin’NY TOMPO, dia nandeha nitety an’i Gileada sy Manase izy; nitety an’i Mizpa any Gileada koa izy ka niala tany Mizpa any Gileada, dia nandroso nankany amin’ny Amonita. |
dia atao hoe Mitsipà koa no anarany, satria hoy i Labàna: «I Iaveh hanao andry maso ahy sy ianao, rehefa tafasaraka tsy mifankahita isika.
Ary i Amasaì, lehiben’ny telopolo lahy, dia nosaronan’ny Fanahy, ka nanao hoe: «Anao izahay, ry Davida, ary momba anao, ry zanak’i Isaia! Fiadanana, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an’izay manampy anao.» Dia noraisin’i Davida izy ireo, ary nomeny toerana tamin’ny lehiben’ny antokon’ny miaramila.
Nidina teny amin’ny rahona i Iaveh dia niteny tamin’i Môizy; nangalany ny fanahy izay tao amin’i Môizy, ka nataony tao amin’ny loholona fitopolo lahy, naminany izy ireo raha vao tonga tao aminy ny fanahy, nefa tsy notohizany izany.
Nivory ny taranak’i Amôna sy nitoby tao Balaada, ary ny zanak’i Israely kosa niangona nitoby tany Masfà.
Dia nandeha niaraka tamin’ny loholon’i Galaada i Jefte. Natsangan’ny vahoaka ho filohany sy ho jeneraliny izy, ary naverin’i Jefte teo anatrehan’i Iaveh tany Masfà indray ny teniny rehetra.
Tsy nahoan’ny mpanjakan’ny taranak’i Amôna akory ny teny nampitondrain’i Jefte tany aminy.
Dia nanomboka nitaona azy ho any Makaneha-Dana anelanelan’i Saraà sy i Estaola ny fanahin’i Iaveh.
Nilatsaka tamin’io ny Fanahin’i Iaveh, ka nitsara an’i Israely izy, ary nivoaka hiady; ary natolotr’i Iaveh ho eo an-tanany i Kosana-Rasataîma mpanjakan’i Mesôpôtamia, ka nahery tamin’i Kozana-Rasataîma ny tanany.
Fa notsindrian’ny Fanahin’i Iaveh i Jedeôna ka nitsoka trômpetra, dia nivory nanaraka azy ny Abieserita;
Nony tonga tany Gabaà, indreto ny mpaminany maro, andiany iray, nifanena taminy, dia nilatsaka taminy ny Fanahin’Andriamanitra ka naminany teo afovoan’ireo izy.
Vao nandre izany teny izany i Saola, dia nilatsaka taminy ny Fanahin’i Iaveh ka nirehitra ny hatezerany.
Dia nirahin’i Iaveh i Jerobaala, i Badana, i Jefte, ary i Samoela, ka nanafaka anareo tamin’ny fahavalonareo rehetra manodidina anareo izy, dia nandry feizay, teo amin’ny fonenanareo ianareo.