Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 31:49 - Baiboly Katolika

49 dia atao hoe Mitsipà koa no anarany, satria hoy i Labàna: «I Iaveh hanao andry maso ahy sy ianao, rehefa tafasaraka tsy mifankahita isika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

49 Nataony hoe Mizpa koa izy, fa hoy izy: NY TOMPO no hitazana ahy sy ianao rehefa tsy mifankahita isika.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

49 Nantsoina koa hoe Mitsepà, na toerana fanaraha-maso, satria i Labàna efa nilaza hoe: –Aoka ny TOMPO hanara-maso ahy sy ianao, rehefa tsy mifankahita isika!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

49 Nantsoina koa hoe Mitsepà, na toerana fanaraha-maso, satria i Labàna efa nilaza hoe: –Aoka ny TOMPO hanara-maso ahy sy ianao, rehefa tsy mifankahita isika!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

49 Ary nataony hoe Mizpa koa izy; fa hoy izy: Jehovah hitazana ahy sy hianao, rehefa tsy mifankahita isika.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

49 Ary nataony hoe Mizpa koa izy, fa hoy izy: Jehovah hitazana ahy sy ianao, rehefa tsy mifankahita isika.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 31:49
7 Rohy Ifampitohizana  

Ary nasain’i Asà nantsoina avokoa i Jodà rehetra, tsy nisy nataony afaka na iray aza, dia nentiny ny vato aman-kazo nanamboaran’i Baasà an’i Ramà, ka izany no nanorenany an’i Gabaàn’i Benjamina sy i Masfà.


Mandrenesa izao, ry mpisorona; mihainoa tsara, ry taranak’i Israely; manongilàna sofina, ry taranaky ny mpanjaka; fa ianareo no hamoahana ny teny fitsarana, satria ianareo no efa fandrika tao Masfà sy fandrika harato voavelatra ao ambonin’i Tabôra.


Nivory ny taranak’i Amôna sy nitoby tao Balaada, ary ny zanak’i Israely kosa niangona nitoby tany Masfà.


Dia nandeha niaraka tamin’ny loholon’i Galaada i Jefte. Natsangan’ny vahoaka ho filohany sy ho jeneraliny izy, ary naverin’i Jefte teo anatrehan’i Iaveh tany Masfà indray ny teniny rehetra.


Dia tonga tamin’i Jefte ny Fanahin’i Iaveh, ka nandeha namaky an’i Galaada sy i Manase izy, ary tonga hatrany Masfà, any Galaada: ary avy ao Masfà dia nandroso hamely ny taranak’i Amôna.


Ary ny amin’ny teny nifanaovantsika izaho sy ianao dia indro fa anelanelako izaho sy ianao, mandrakizay, i Iaveh».


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra