Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 11:18 - Baiboly Katolika

Rehefa izany, namaky ny efitra izy, ka nanodidina ny tany Edôma sy ny tany Moaba, dia tonga tany atsinanan’ny tany Moaba. Dia nitoby tany an-dafin’i Arnôna izy ireo fa tsy nandroso tamin’ny faritr’i Moaba, fa i Arnôna no faritr’i Moaba.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nandeha nitety ny tany efitra izy ka nanodidina ny tany Edoma sy ny tany Moaba, dia tonga teo atsinanan’i Moaba ka nitoby teo andafin’i Arnona, satria tsy niditra tao anatin’ny faritanin’i Moaba izy; fa i Arnona no sisintanin’i Moaba.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Avy teo, dia nandeha namakivaky ny taniefitra izy, nanodidina ny faritanin’i Edôma sy i Môaba ary tonga tao atsinanan’i Môaba. Dia nitoby teo ampitan’ny renirano Arnôna izy fa tsy niditra tao anatin’ny faritanin’i Môaba, satria i Arnôna no sisin-taniny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Avy teo, dia nandeha namakivaky ny taniefitra izy, nanodidina ny faritanin’i Edôma sy i Môaba ary tonga tao atsinanan’i Môaba. Dia nitoby teo ampitan’ny renirano Arnôna izy fa tsy niditra tao anatin’ny faritanin’i Môaba, satria i Arnôna no sisin-taniny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nandeha nitety ny efitra izy ka nanodidina ny tany Edoma sy ny tany Moaba, dia tonga teo atsinanan’i Moaba. ka nitoby teo an-dafin’i Arnona, fa tsy niditra teo anatin’ny fari-tanin’i Moaba; fa Arnona no fari-tanin’i Moaba.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nandeha nitety ny efitra izy ka nanodidina ny tany Edoma sy ny tany Moaba, dia tonga teo atsinanan'i Moaba, ka nitoby teo an-dafin'i Arnona, fa tsy niditra teo anatin'ny faritanin'i Moaba; fa Arnona no fari-tanin'i Moaba.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nandeha nitety ny tany efitra izy ka nanodidina ny tany Edoma sy ny tany Moaba, dia tonga teo atsinanan’i Moaba ka nitoby teo andafin’i Arnona, satria tsy niditra tao anatin’ny faritanin’i Moaba izy; fa i Arnona no sisintanin’i Moaba.

Jereo ny toko



Mpitsara 11:18
8 Rohy Ifampitohizana  

Niala tao Kadesy ny zanak’i Israely, ny fiangonana manontolo, dia tonga tao an-tendrombohitra Hora.


Nony ren’i Balàka fa tamy i Balaama, dia nivoaka izy hitsena azy hatrany amin’ny tanàna Moaba eo amin’ny faritra Arnôna, any amin’ny sisin-tany indrindra. Hoy i Balàka tamin’i Balaama:


Mandehana amin’izao mamaky ny faritr’i Moaba, dia i Ara,


Koa mitsangàna ianareo mandehana mita ny ranon-driaka Arnôna. Indro atolotro eo an-tananao i Sehôna mpanjakan’i Hesebona, Amôreana, mbamin’ny taniny. Atombohy ny fakàna azy, ka tafiho izy.


Hoy i Iaveh tamiko: Aza manomboka ady amin’i Moaba, ary aza rafitra ady aminy, fa tsy hanomezako ho fanananareo ny taniny, na kely aza, satria i Ara efa nomeko ho fananan’ny taranak’i Lôta.