Tsy ny tenanay akory no ampy hahahevitra zavatra toy ny avy amin’ny tenanay; Andriamanitra ihany no iavian’ny fahampiana.
Mpitsara 11:11 - Baiboly Katolika Dia nandeha niaraka tamin’ny loholon’i Galaada i Jefte. Natsangan’ny vahoaka ho filohany sy ho jeneraliny izy, ary naverin’i Jefte teo anatrehan’i Iaveh tany Masfà indray ny teniny rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nandeha i Jefta niaraka tamin’ireo loholon’i Gileada ka nasandratry ny vahoaka ho lohany sy ho mpitarika azy izy. Ary nilaza ny teniny rehetra teo anatrehan’NY TOMPO tao Mizpa i Jefta. DIEM PROTESTANTA Dia nandeha niaraka tamin’ireo loholon’i Gilehada i Jiftà ka noraisin’ny olona ho filoha sy ho mpitari-tafika. Ary tao Mitsepà, teo anatrehan’ny TOMPO, dia nohamafisin’i Jiftà ny teny rehetra efa nifanarahany tamin’ireo loholona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nandeha niaraka tamin’ireo loholon’i Gilehada i Jiftà ka noraisin’ny olona ho filoha sy ho mpitari-tafika. Ary tao Mitsepà, teo anatrehan’ny TOMPO, dia nohamafisin’i Jiftà ny teny rehetra efa nifanarahany tamin’ireo loholona. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nandeha Jefta niaraka tamin’ny loholon’i Gileada, ka dia nasandratry ny vahoaka ho lohany sy ho mpitarika azy izy; ary Jefta nilaza ny teniny rehetra teo anatrehan’i Jehovah tao Mizpa. Malagasy Bible Dia nandeha Jefta niaraka tamin'ny loholon'i Gileada, ka dia nasandratry ny vahoaka ho lohany sy ho mpitarika azy izy; ary Jefta nilaza ny teniny rehetra teo anatrehan'i Jehovah tao Mizpa. La Bible en Malgache Dia nandeha i Jefta niaraka tamin’ireo loholon’i Gileada ka nasandratry ny vahoaka ho lohany sy ho mpitarika azy izy. Ary nilaza ny teniny rehetra teo anatrehan’NY TOMPO tao Mizpa i Jefta. |
Tsy ny tenanay akory no ampy hahahevitra zavatra toy ny avy amin’ny tenanay; Andriamanitra ihany no iavian’ny fahampiana.
Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fahasoavana tanteraka rehetra dia avy any ambony, ka midina avy amin’ny Rain’ny fahazavana, izay tsy manam-piovaovana, na aloka avy amin’ny fihodinana.
Raha misy tsy manam-pahendrena aminareo, dia aoka izy hangataka izany amin’Andriamanitra, fa homeny azy tokoa izany; satria sady manome malalaka ho an’ny olona rehetra Izy no tsy mba mandatsa.
Nivory ny taranak’i Amôna sy nitoby tao Balaada, ary ny zanak’i Israely kosa niangona nitoby tany Masfà.
Nandefa iraka ho any amin’ny mpanjakan’ny taranak’i Amôna i Jefte, hilaza aminy hoe: «Mifampaninona moa izaho sy ianao, no tonga hamely ahy ianao ka hanafika ny taniko?»
Dia tonga tamin’i Jefte ny Fanahin’i Iaveh, ka nandeha namaky an’i Galaada sy i Manase izy, ary tonga hatrany Masfà, any Galaada: ary avy ao Masfà dia nandroso hamely ny taranak’i Amôna.
Niverina nankany an-tranony any Masfà i Jefte, ka inty ny zanany vavy no nivoaka hitsena azy, nitondra amponga tapaka sy nandihy. Zanany vavy tokana io, tsy nanana afa-tsy io izy, tsy nisy lahy na vavy hafa.
Dia nivoaka ny zanak’i Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bersabea sy ny tany Galaada; ka nivory teo anatrehan’i Iaveh tany Masfà, toy ny olona iray ihany, ny fiangonana.
Dia nankany Galgalà ny vahoaka rehetra ka nanangana an’i Saola ho mpanjaka, teo anatrehan’i Iaveh, tany Galgalà, ary teo no nanateran’izy ireo sorom-pisaorana teo anatrehan’i Iaveh; ary teo i Saola sy ny lehilahy rehetra amin’i Israely dia nanao firobirobiana fatratra.
Nony ren’i Samoela ny teny rehetra nataon’ny vahoaka dia nolazainy indray ho ren’i Iaveh;