Tsy naharoaka ny Jeboseanina izay monina ao Jerosalema ny taranak’i Jodà, ka niara-nitoetra tamin’ny taranak’i Jodà ao Jerosalema ny Jeboseanina mandraka androany.
Mpitsara 1:8 - Baiboly Katolika Namely an’i Jerosalema ny taranak’i Jodà dia afany, ary nodorany tamin’ny afo ny tanàna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nanafika an’i Jerosalema ny taranak’i Joda ka nahazo azy dia namely azy tamin’ny lelan-tsabatra sy nandoro ny tanàna. DIEM PROTESTANTA Dia nanafika an’i Jerosalema ny vatan-dehilahin’i Joda ka nahazo azy; ary novonoiny tamin’ny sabatra ny mponina sady nodorany ny tanàna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nanafika an’i Jerosalema ny vatan-dehilahin’i Joda ka nahazo azy; ary novonoiny tamin’ny sabatra ny mponina sady nodorany ny tanàna. Baiboly Protestanta Malagasy Ary namely an’i Jerosalema ny taranak’i Joda, ka nahafaka azy, dia namely azy tamin’ny lelan-tsabatra ka nandoro ny tanàna. Malagasy Bible Ary namely an'i Jerosalema ny taranak'i Joda, ka nahafaka azy, dia namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ka nandoro ny tanàna. La Bible en Malgache Nanafika an’i Jerosalema ny taranak’i Joda ka nahazo azy dia namely azy tamin’ny lelan-tsabatra sy nandoro ny tanàna. |
Tsy naharoaka ny Jeboseanina izay monina ao Jerosalema ny taranak’i Jodà, ka niara-nitoetra tamin’ny taranak’i Jodà ao Jerosalema ny Jeboseanina mandraka androany.
Tsy nandroaka ny Jeboseanina nonina tao Jerosalema ny taranak’i Benjamina, ka niara-nonina tamin’ny zanak’i Benjamina tao Jerosalema mandraka androany ny Jeboseanina.
Taorian’izany dia nidina ny taranak’i Jodà hiady amin’ny Kananeanina monina amin’ny tendrombohitra, ny Negeba ary ny Sefelà.