Izao kosa no momba ny olona mpanao fanompoana nalain’i Salômôna, hanaovana ny tranon’i Iaveh sy ny tranony, i Melao sy ny mandan’i Jerosalema, i Hasera, i Megedaô, ary i Gazera.
Mpitsara 1:29 - Baiboly Katolika I Efraima tsy nandroaka ny Kananeanina nonina tao Gareza, ka nonina teo amin’i Efraima tao Gareza ny Kananeanina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Efraima dia tsy nandroaka ny Kananita izay nonina tany Gezera fa nonina teo anivony tany Gezera ny Kananita. DIEM PROTESTANTA Ny taranak’i Efraîma ihany koa dia tsy naharoaka ny Kanahanita izay nonina tao Gezera; ka nipetraka teo anivon’ny Efraîmita ireo Kanahanita tao Gezera. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny taranak’i Efraîma ihany koa dia tsy naharoaka ny Kanahanita izay nonina tao Gezera; ka nipetraka teo anivon’ny Efraîmita ireo Kanahanita tao Gezera. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Efraima tsy nandroaka ny Kananita, izay nonina tany Gazera; fa nonina teo aminy tany Gazera ny Kananita. Malagasy Bible Ary Efraima tsy nandroaka ny Kananita. izay nonina tany Gazera; fa nonina teo aminy tany Gazera ny Kananita. La Bible en Malgache Ary i Efraima dia tsy nandroaka ny Kananita izay nonina tany Gezera fa nonina teo anivony tany Gezera ny Kananita. |
Izao kosa no momba ny olona mpanao fanompoana nalain’i Salômôna, hanaovana ny tranon’i Iaveh sy ny tranony, i Melao sy ny mandan’i Jerosalema, i Hasera, i Megedaô, ary i Gazera.
I Faraôna mpanjakan’i Ejipta, dia efa niakatra ka nahafaka an’i Gazera, dia nodorany ny tanàna, novonoiny ny Kananeanina nonina tao an-tanàna, dia nomeny ho haren-jazavavy izy, ho an’ilay zanany vadin’i Salômôna.
Niakatra hamonjy an’i Lakisa i Horama mpanjakan’i Gazera tamin’izay, fa nasian’i Jôsoe izy sy ny vahoakany ka tsy navelany hisy afa-nandositra akory.
Tsy nandroaka ny Kananeanina nonina teo Gazera izy ireo, ka niara-nonina tamin’i Efraima mandraka androany ny Kananeanina, nefa ampanaoviny fanompoana kosa.
Nony efa nihanahery i Israely, dia nampandoaviny hetra ny Kananeanina, nefa tsy noroahiny izy ireo.
I Zabolôna tsy nandroaka ny mponina tao Setrôna, na ny mponina tao Naalôna, ka nonina tao amin’i Zabolôna ny Kananeanina fa nampandoaviny hetra.