Ahy i Galaada, ahy i Manase. Fiadiana aron’ny lohako i Efraima ary tehim-panjakako i Jodà.
Mpitsara 1:12 - Baiboly Katolika Ary hoy i Kaleba: «Homeko an’i Aksà zanako vavy ho vadiny, izay mamely ka mahafaka an’i Kariata-Sefera.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy i Kaleba: Izay manafika an’i Kiriata-Sefera ka mahazo azy dia homeko azy i Aksa zanako vavy ho vadiny. DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Kaleba hoe: «Izay mandresy an’i Kiriata-Sefera ka mahazo azy dia homeko azy i Haksà zanako vavy ho vadiny.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Kaleba hoe: «Izay mandresy an’i Kiriata-Sefera ka mahazo azy dia homeko azy i Haksà zanako vavy ho vadiny.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Kaleba: Izay mamely an’i Kiriata-sefera ka mahafaka azy dia homeko azy Aksa zanako-vavy ho vadiny. Malagasy Bible Ary hoy Kaleba: Izay mamely an'i Kiriata-sefera ka mahafaka azy dia homeko azy Aksa zanako-vavy ho vadiny. La Bible en Malgache Ary hoy i Kaleba: Izay manafika an’i Kiriata-Sefera ka mahazo azy dia homeko azy i Aksa zanako vavy ho vadiny. |
Ahy i Galaada, ahy i Manase. Fiadiana aron’ny lohako i Efraima ary tehim-panjakako i Jodà.
hanambady ka hiteraka zazalahy aman-jazavavy; haka vady ho an’ny zanaka lahinareo, sy hampanambady ny zanaka vavinareo, mba hiterahany zazalahy aman-jazavavy; ka hihamaro amin’ity tany ity ianareo, fa tsy hihavitsy.
Avy tao, dia niakatra namely ny mponina tao Dabira indray izy. Kariata-Sefera no anaran’i Dabira taloha.
Avy eo dia nandroso hiady tamin’ny mponina tao Dabira, izay nantsoina fahiny hoe Kariata-Sefera.
Dia Otoniela zanak’i Keneza, zandrin’i Kaleba, no nahafaka azy, ka nomen’i Kaleba ho vadiny i Aksà zanany vavy.
Hoy ny Israelita anankiray nanao hoe: «Jereo kely ity lehilahy mandroso eto! Hihaika an’i Israely no androsoany. Ka izay lehilahy mahafaty an’io dia sady homen’ny mpanjaka harem-bevava no homeny ny zanany vavy ho vady, ary tsy hampandoaviny hetra ny tranon-drainy eo amin’i Israely».
Dia nolazain’ny mpanompon’i Saola tamin’i Davida mba ho ren’ny sofiny izany teny izany; ka hoy ny navalin’i Davida: «Fa ataonareo ho zavatra kely ve izany ho vinanton’ny mpanjaka é? Izaho dia olo-mahantra sy iva razana».