Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 1:10 - Baiboly Katolika

Dia nandroso i Jodà namely ny Kananeanina nonina tany Hebrôna, izay nantsoina fahiny hoe Kariata-Arbe, ary nandresy an’i Sesaia sy i Ahimàna ary Tolmaia.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nandeha i Joda hiady amin’ny Kananita izay nonina tany Hebrona, Kiriata-Arba no anarany taloha; dia namono an’i Sesay sy i Ahimana ary i Talmay izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Avy eo dia nandeha izy namely ny Kanahanita tao Hebrôna, izay nantsoina hoe Kiriata-Arbà tamin’izany fotoana izany, ka nandresy ny tarik’i Sesay sy i Ahimàna ary i Talmay.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Avy eo dia nandeha izy namely ny Kanahanita tao Hebrôna, izay nantsoina hoe Kiriata-Arbà tamin’izany fotoana izany, ka nandresy ny tarik’i Sesay sy i Ahimàna ary i Talmay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nandeha Joda hiady amin’ny Kananita, izay nonina tany Hebrona (Kiriat-arba no anaran’i Hebrona taloha), ka namono an’i Sesay sy Ahimana ary Talmay.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nandeha Joda hiady amin'ny Kananita, izay nonina tany Hebrona (Kiriat-arba no anaran'i Hebrona taloha), ka namono an'i Sesay sy Ahimana ary Talmay.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nandeha i Joda hiady amin’ny Kananita izay nonina tany Hebrona, Kiriata-Arba no anarany taloha; dia namono an’i Sesay sy i Ahimana ary i Talmay izy.

Jereo ny toko



Mpitsara 1:10
12 Rohy Ifampitohizana  

Ary i Sarà dia maty tany Kiriatarbe, dia Hebrôna izany, any amin’ny tany Kanaana; ka tonga i Abrahama hisaona an’i Sarà sy hitomany azy.


Ary hoy i Israely taminy: «Mandehana, zahao raha tsara ihany ny rahalahinao ary raha tsara ny toetry ny biby fiompy. Dia hampandrenesinao ahy izay vaovao any.» Koa nalefany izy hiala tao an-dohasahan’i Hebrôna, dia lasa i Josefa nankany Sikema.


Nihodina aho, ary hitako atỳ ambany masoandro fa ny fihazakazahana tsy an’ny faingan-tongotra; na ny ady an’ny mahery fo na ny hanina an’ny hendry na ny harena an’ny mahalala na ny tombon-tsoa an’ny mahay fa samy voan’ny fotoana aman-tsampona avokoa izy rehetra.


Fa izao no aoka hireharehan’ny mirehareha: Ny ananany saina sy ahalalany Ahy. Fa Izaho no Iaveh izay manao ny famindram-po, sy ny hitsiny ary ny rariny etỳ ambonin’ny tany, fa izany no ankasitrahiko - teny marin’i Iaveh. -


Niakatra an’i Negeba izy ireo, ka nandroso hatrany Hebrôna, izay nisy an’i Akimàna sy i Sizaia ary i Tolmaia, taranak’i Enàka. I Hebrôna dia naorina fito taona talohan’i Tanisa any Ejipta.


ary hitanay tany koa ny Rapeto zanak’i Enàka, taranaky ny Rapeto: mova tsy ny valala izahay teo imasony sy teo imasonay.»


Niakatra avy eo Eglôna i Jôsoe sy i Israely rehetra niaraka taminy, dia nankany Hebrôna, ka namely azy izy ireo.


Kariat-Arbe no anaran’i Hebrôna fahiny; i Arbe dia lehilahy goavam-be indrindra tamin’ny Enakima. Ary nitsahatra tamin’ny ady ny tany.


Nomena an’i Kaleba i Hebrôna araka ny voalazan’i Môizy, ka noroahiny hiala tao ny zanak’i Enàka telo lahy.


Taorian’izany dia nidina ny taranak’i Jodà hiady amin’ny Kananeanina monina amin’ny tendrombohitra, ny Negeba ary ny Sefelà.