Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitoriteny 3:4 - Baiboly Katolika

Fotoana hitomaniana, ary fotoana hihomehezana; fotoana higogogogoana, ary fotoana handihizana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ao ny andro itomaniana ary ao ny andro ihomehezana; ao ny andro isaonana ary ao ny andro andihizana;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Misy fotoana itomaniana ary misy fotoana ihomehezana; misy fotoana isentoana ary misy fotoana andihizana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Misy fotoana itomaniana ary misy fotoana ihomehezana; misy fotoana isentoana ary misy fotoana andihizana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ao ny andro itomaniana, ary ao ny andro ihomehezana; Ao ny andro isaonana, ary ao ny andro andihizana;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ao ny andro itomaniana, ary ao ny andro ihomehezana; Ao ny andro isaonana, ary ao ny andro andihizana;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ao ny andro itomaniana ary ao ny andro ihomehezana; ao ny andro isaonana ary ao ny andro andihizana;

Jereo ny toko



Mpitoriteny 3:4
23 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Sarà: «Efa nomen’Andriamanitra ahy izay hampihomehy ahy, ka na iza na iza handre izany dia hihomehy noho ny amiko.» Hoy koa izy:


Nitsirika teo am-baravarankely i Mikola zanak’i Saola, nony niditra ny tanànan’i Davida ny Fiaran’i Iaveh, ary nahita ity Davida mpanjaka mitsinjaka sy mandihy teo anatrehan’i Iaveh izy, ka nikizaka azy tao am-pony.


Mihainoa, ry Iaveh ô, ka iantrao aho; Iaveh ô, avia hamonjy ahy! -


Mihirà ho an’i Iaveh ianareo mpiraikitra aminy, mankalazà ny fahatsiarovana masina Azy.


Nandray langoroany tapaka i Maria, mpaminany vavy, anabavin’i Aarôna, ary nitondra langoroany nanaraka azy koa ny vehivavy rehetra, dia nandihy.


Fotoana hanelezam-bato, ary fotoana hanangonana azy; fotoana hamihinana, ary fotoana hifadiana fifamihinana.


Mifalia, amin’ny andron’ny fahasambarana, ary mieritrereta, amin’ny andron’ny fahoriana: fa samy nataon’Andriamanitra ireo, mba tsy hahafantaran’ny olona izay tsy maintsy hihatra aminy.


«Ampionony, ampionony ny vahoakako,» hoy ny Andriamanitrareo.


Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema, ary ataovy antso avo aminy, fa tapitra ny fanompoany, voaonitra ny helony, voarainy tamin’ny tanan’i Iaveh, ny indroa heny valin’ny fahotany.


ka manao hoe: Nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nandòn-tratra ianareo.


Ary hoy i Jesoa taminy: «Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra? Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, ka amin’izay vao hifady hanina izy.


Ary nahare ny mpiara-monina aminy sy ny havany fa efa nankalazain’ny Tompo ny famindram-pony taminy, ka dia niara-nifaly taminy.


Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany.


fa ny alahelo araka an’Andriamanitra dia miasa hahatonga fibebahana mahavonjy, ka tsy anenenana; fa ny alahelon’izao tontolo izao no miasa hahatonga fahafatesana.


Fantaro ny fahorianareo, ka manaova fisaonana, dia mitomania. Aoka hanjary ranomaso ny hehinareo, ary hody alahelo ny hafalianareo.