Mpitoriteny 10:2 - Baiboly Katolika Ny fon’ny hendry eo ankavanany; ny fon’ny adala kosa eo ankaviany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny fon’ny hendry dia mitondra azy ho amin’izay tsara, fa ny fon’ny adala kosa dia mitondra azy any amin’izay tsy izy. DIEM PROTESTANTA Ny fisainan’ny hendry dia miasa tsara, fa ny fisainan’ny adala kosa no diso fandray hevitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny fisainan’ny hendry dia miasa tsara, fa ny fisainan’ny adala kosa no diso fandray hevitra. Baiboly Protestanta Malagasy Ny fon’ny hendry dia eo ankavanany; fa ny fon’ny adala kosa dia eo ankaviany. Malagasy Bible Ny fon'ny hendry dia eo ankavanany; fa ny fon'ny adala kosa dia eo ankaviany. La Bible en Malgache Ny fon’ny hendry dia mitondra azy ho amin’izay tsara, fa ny fon’ny adala kosa dia mitondra azy any amin’izay tsy izy. |
Hatao inona ny vola eo an-tanan’ny adala? Hamidy ny fahendrena va? - Tsy azony an-tsaina izany.
Raha dombo ny antsy ka tsy asaina ny lelany, dia tsy maintsy manao an’aina ny mpikapa; fa ny fahendrena no metimety kokoa hahombiazana.
Mampitombo ny teny ho maro, ny adala!... Tsy fantatry ny olona izay ho avy; ary iza no hilaza aminy izay ho avy any aoriany?
Izay rehetra azon’ny tananao atao, dia ataovy amin-kerim-po; fa tsy misy asa na fahalalana na fahaizana, na fahendrena any amin’ny Seoly izay halehanao.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
Koa raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho;