Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mika 7:15 - Baiboly Katolika

Toy ny tamin’ny andro nivoahanao avy any amin’ny tany Ejipta, haneho zava-mahagaga aminy Aho.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Toy ny tamin’ny andro nivoahanao avy tany amin’ny tany Ejipta no hanehoako zava-mahagaga aminy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«–Toy ny tamin’ny andro nialan’ny vahoakako tany Ejipta, dia hanao zava-mahagaga ho azy Aho.–»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«–Toy ny tamin’ny andro nialan’ny vahoakako tany Ejipta, dia hanao zava-mahagaga ho azy Aho.–»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Toy ny tamin’ny andro nivoahanao avy tany amin’ny tany Egypta No hanehoako azy zava-mahagaga.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Toy ny tamin'ny andro nivoahanao avy tany amin'ny tany Egypta No hanehoako azy zava-mahagaga.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Toy ny tamin’ny andro nivoahanao avy tany amin’ny tany Ejipta no hanehoako zava-mahagaga aminy.

Jereo ny toko



Mika 7:15
9 Rohy Ifampitohizana  

Eny, Andriamanitra hanorotoro ny lohan’ny fahavalony, dia ny handrina be volon’izay mandeha amin’ny haratsiana.


nefa haninjitra ny tanako Aho hamely an’i Ejipta, amin’ny fahagagana isan-karazany hataoko eo aminy, ka havelany handeha ianareo rehefa afaka izany.»


Dia hoy i Iaveh: «Indro manao fanekem-pihavanana Aho: Hanao zava-mahagaga eo anatrehan’ny vahoakanao rehetra Aho; ka tsy mbola nisy nanaovana toy izany, na tany aiza na tany aiza, na firenena aiza na firenena aiza; ka ny vahoakanao manodidina anao hahita ny asan’i Iaveh; fa mahatsiravina tokoa ny zavatra hataoko miaraka aminao.»


Dia hisy lalana halehan’ny vahoakany sisa, izay sisa mbola ho hita any amin’ny tany Asirianina, toy ny nisy halehan’i Israely, tamin’ny andro niakarany avy any amin’ny tany Ejipta.


Tsy Ianao va no nahamaina ny ranomasina, dia ny rano tao amin’ny hantsam-be. Ka nanao ny fanambanin’ny ranomasina ho lalana nalehan’ny navotana?


Mifohaza, mifohaza ianao, mitafia hery, ry zandrin’i Iaveh! Mifohaza toy ny tamin’ny andro taloha, tahaka ny tamin’ny taona fahiny. Tsy Ianao va no nitetika an-dRahaba ho potipotika, sy nitomboka ilay dragona ho gorobaka?