Mika 4:6 - Baiboly Katolika Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh, - horaisiko ny mandringa, hovoriko ny efa mihahaka, sy izay efa nasiako mafy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, no hanangonako ny mandringa sy hamoriako izay noroahina mbamin’izay nampahoriko. DIEM PROTESTANTA Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Amin’izany andro izany dia hangoniko indray ny saozanina, hovorîko indray izay niely sy nampahorîko. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Amin’izany andro izany dia hangoniko indray ny saozanina, hovorîko indray izay niely sy nampahorîko. Baiboly Protestanta Malagasy Amin’izany andro izany, hoy Jehovah, No hanangonako ny mandringa Sy hamoriako izay noroahina Mbamin’izay nampahoriko; Malagasy Bible Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, No hanangonako ny mandringa Sy hamoriako izay noroahina Mbamin'izay nampahoriko; La Bible en Malgache Amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, no hanangonako ny mandringa sy hamoriako izay noroahina mbamin’izay nampahoriko. |
Fa hoy izaho: «Enga ka tsy ho antom-pifaliany aho, enga anie ka tsy hitsangan-kamely ahy izy ireo raha mangozohozo ny tongotro.»
- teny marin’i Iaveh Tompo - izay mamory ny lasan-ko babo amin’i Israely! Mbola hamory ny sasany koa Aho ho eo aminy, hanampy ireo efa voavory sahady.
Amin’izany andro izany, hiara-mandeha ny taranak’i Jodà sy ny taranak’i Israely, ka hiara-tonga avy any amin’ny tany avaratra, ho ao amin’ny tany nomeko ho lovan’ny razanareo.
Indro Aho mamerina azy avy any amin’ny tany avaratra; manangana azy avy any amin’ny faran’ny tany. Ho eo amin’izy ireo ny jamba sy ny mandringa, ny manana anaka sy ny efa mihetsi-jaza; hanao dia be izy ireo no hiverina atỳ.
Halaiko avy any amin’ny firenena ianareo, hangoniko avy any amin’ny tany rehetra ka hampodiko eo amin’ny taninareo.
Hamory anao manontolo Aho, ry Jakôba ô, hangoniko izay sisa amin’i Israely; hovoriko hikambana toy ny ondry amin’ny vala izy; toy ny ondry andiany eo afovoam-bàlany no ho fisasasasan’ny olona ankabetsahany.
Amin’izany andro izany hofaranako ny amin’ny momba an’ireo rehetra mpampahory anao: Hovonjeko ikala mandringa, hangoniko ikala voaroaka, ka hataoko be voninahitra sy malaza izy ireo, any amin’ny tany rehetra nanakoràna azy.
Mbola manana ondry hafa koa Aho izay tsy amin’ity vala ity, ka tsy maintsy hoentiko izy sy hihaino ny feoko; dia ho tonga andian’ondry tokana sy mpiandry ondry tokana.