Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mika 3:8 - Baiboly Katolika

Fa izaho kosa feno hery, omban’ny Fanahin’i Iaveh, ary feno rariny aman-kerim-po, hanambara amin’i Jakôba ny helony; sy amin’i Israely ny fahotany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa izaho kosa dia feno hery avy amin’ny Fanahin’NY TOMPO, mbamin’ny rariny sy fahasahiana mba hanambara amin’i Jakoba ny helony sy hilaza amin’Israely ny fahotany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Izaho kosa, noho ny Fanahin’ny TOMPO, dia feno tanjaka sy rariny ary herim-po, mba hanambara amin’ny taranak’i Jakôba ny helony, eny, mba hanambara amin’ny vahoakan’i Israely ny fahotany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izaho kosa, noho ny Fanahin’ny TOMPO, dia feno tanjaka sy rariny ary herim-po, mba hanambara amin’ny taranak’i Jakôba ny helony, eny, mba hanambara amin’ny vahoakan’i Israely ny fahotany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa izaho kosa dia feno hery, dia ny Fanahin’i Jehovah, Mbamin’ny rariny sy ny faherezana, Mba hanambara amin’i Jakoba ny helony Sy amin’Isiraely ny fahotany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa izaho kosa dia feno hery, dia ny Fanahin'i Jehovah, Mbamin'ny rariny sy ny faherezana, Mba hanambara amin'i Jakoba ny helony Sy amin'Isiraely ny fahotany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa izaho kosa dia feno hery avy amin’ny Fanahin’NY TOMPO, mbamin’ny rariny sy fahasahiana mba hanambara amin’i Jakoba ny helony sy hilaza amin’Israely ny fahotany.

Jereo ny toko



Mika 3:8
28 Rohy Ifampitohizana  

Feno lahateny aho, ka asesiky ny fanahy ato anatiko aho.


Manezaha antso mafy, ka aza tanana ny feonao; ataovy manehoeho hoatra ny trômpetra ny feonao, ka ambarao amin’ny vahoakako ny fahotany, ary amin’ny taranak’i Jakôba ny fahadisoany.


Ato amiko ny fanahin’i Iaveh, Tompo, satria voahosotr’i Iaveh aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra, hamehy ny ferin’ireo torotoro fo; hampandre ny babo fa afaka sy ny ao an-tranomaizina fa alefa;


hitory taom-pahasoavana anankiray ho an’i Iaveh, sy ny andro famaliana anankiray ho an’ny Andriamanitsika; hampionona ny tra-pahoriana rehetra.


Indro Aho anio manao anao ho tanàna mimanda, andry vy ary manda varahina, eo anatrehan’ny tany rehetra, eo anatrehan’ny mpanjakan’i Jodà, sy ny mpanapaka eo aminy, eo anatrehan’ny mpisorony, eo anatrehan’ny vahoakany.


Hoy aho: Tsy hilaza ny aminy intsony aho, tsy hiteny amin’ny Anarany intsony aho!... dia nisy toy ny afo nirehitra ato am-poko, voahidy ao anatin’ny taolako; nanao izay hihazonana azy aho nefa tsy nahatana azy.


Izaho anefa, efa feno ny fahatezeran’i Iaveh, ka sasatra ny mitana izany. Aidino amin’ny ankizy eny an-dalambe izany, sy eo amin’ny fivorian’ny zatovo! Fa samy hosamborina avokoa na lahy na vavy, na ny antitra sy ny efa ela niainana.


Ny hitan’ny mpaminaninao ho anao, dia fahitana mpamitaka sy foana: Tsy naneho ny helokao taminao izy, mba hamily tsy hihatra aminao ny fahababoana, fa ny nolazainy taminao ho fahitana, dia teny mandainga sy mandrebireby.


Ry zanak’olona, ampahafantaro an’i Jerosalema ny fahavetavetany, ka ataovy hoe:


Hotsarainao va ireo, hotsarainao va ireo, ry zanak’olona? Ampahalalao azy ireo, ny fahavetavetan’ny razany;


Ary ianao, ry zanak’olona, moa hitsara va ianao; moa hitsara ny tanàna mpandatsa-dra va ianao? Ampahafantaro azy avokoa ny fahavetavetany;


Ary hoy i Iaveh tamiko: Ry zanak’olona, hotsarainao va i Oôlà sy i Oôlibà? Asehoy azy ny fahavetavetany.


Nofaohin’ny Fanahy sy nentiny aho, ka lasa; fangidiana amam-pisafoahana no tao amin’ny fanahiko; ary ny tanan’i Iaveh nihazona ahy mafy.


Ianao, ry zanak’olona, aoka hampahalala ny taranak’i Israely an’ity trano ity, mba hahamenatra azy noho ny fahotany; ary aoka handrefy azy araka ny marika izy.


satria nampianatra toy ny manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy sy ny Farisianina.


ary i Jakôba, zanak’i Zebede sy i Joany rahalahin’i Jakôba izay nomeny fanampin’anarana koa hoe Boanerijesy, izany hoe zana-baratra;


sady tsy mba tamin’ny tenim-pahendrena mampiaiky volana no nampianarako sy nitoriako teny taminareo, fa tamin’ny fanehoan’ny Fanahy sy ny herin’Andriamanitra azy ho marina,