Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 3:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Izaho kosa, noho ny Fanahin’ny TOMPO, dia feno tanjaka sy rariny ary herim-po, mba hanambara amin’ny taranak’i Jakôba ny helony, eny, mba hanambara amin’ny vahoakan’i Israely ny fahotany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Fa izaho kosa dia feno hery avy amin’ny Fanahin’NY TOMPO, mbamin’ny rariny sy fahasahiana mba hanambara amin’i Jakoba ny helony sy hilaza amin’Israely ny fahotany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Izaho kosa, noho ny Fanahin’ny TOMPO, dia feno tanjaka sy rariny ary herim-po, mba hanambara amin’ny taranak’i Jakôba ny helony, eny, mba hanambara amin’ny vahoakan’i Israely ny fahotany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Fa izaho kosa feno hery, omban’ny Fanahin’i Iaveh, ary feno rariny aman-kerim-po, hanambara amin’i Jakôba ny helony; sy amin’i Israely ny fahotany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Fa izaho kosa dia feno hery, dia ny Fanahin’i Jehovah, Mbamin’ny rariny sy ny faherezana, Mba hanambara amin’i Jakoba ny helony Sy amin’Isiraely ny fahotany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Fa izaho kosa dia feno hery, dia ny Fanahin'i Jehovah, Mbamin'ny rariny sy ny faherezana, Mba hanambara amin'i Jakoba ny helony Sy amin'Isiraely ny fahotany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Fa izaho kosa dia feno hery avy amin’ny Fanahin’NY TOMPO, mbamin’ny rariny sy fahasahiana mba hanambara amin’i Jakoba ny helony sy hilaza amin’Israely ny fahotany.

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 3:8
28 Rohy Ifampitohizana  

Fa feno izay tokony holazaina ny foko; fanoitra ato anatiko no manery ahy hiteny.


Miantsoa mafy, fa aza atao malemy. Ataovy avo toy ny trompetra ny feonao. Vakio bantsilana amin’ny vahoakako ny fikomiany ary amin’ny taranak’i Jakôba ny fahotany.


Ny Fanahin’ny Tompo ANDRIANANAHARY no ato amiko, satria efa nanosotra ahy ny TOMPO ka naniraka ahy mba hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny malahelo, hanasitrana ny olona torotoro fo, hanambara fanafahana ho an’ireo babo sy famoahana ireo gadra avy ao am-ponja,


hanambara ny taona hanehoan’ny TOMPO fanambinana sy ny andro hanafaizan’Andriamanitra ny fahavalony ary hitondra fampaherezana ho an’ny misaona rehetra.


Manomboka izao dia hataoko mafy toy ny tanànamimanda ianao sy toy ny andry vy ary toy ny manda varahina raha mifanandrina amin’ny mponina rehetra eto amin’ny tany amin’ny mpanjakan’i Joda sy ireo mpitondra fanjakana sy ny mpisorona ary ny sarambabem-bahoaka ao amin’ny tany.


Ary raha hoy aho anakampoko hoe: «Tsy hisaintsaina izany intsony aho na hiteny amin’ny anaran’ny Tompo intsony», dia misy toy ny afo mandoro ato am-poko, toy ny afo mihanaka ato anatin’ny tenako. Reraka mamono azy aho fa tsy vitako.


Feno ny fahatezeranao aho, ry TOMPO, ka tsy mahatsindry izany intsony. Afafazo amin’ny ankizy eny an-dalambe sy amin’ny andian-tanora manontolo izany fahatezerako tsy tantinao izany. Fa na lehilahy na vehivavy na ny antitra na izay efa ela niainana dia samy hosamborina avokoa.


Hafatra mamitaka sy poaka aty no nambaran’ny mpaminaninao taminao. Tsy namaky bantsilana ny helokao izy mba hiarovana anao tsy ho babo; fa hafatra mamitaka sy manodoka no nambarany taminao.


«Ry ilay taranak’olombelona, ampahafantaro an’i Jerosalema fa maharikoriko loatra ny fitondrantenany.


«Ary ianao, ry ilay taranak’olombelona, miomàna hitsara azy, eny, tsarao mihitsy izy. Ampahafantaro azy ny asa maharikoriko nataon’ny razany.


«Ianao, ry ilay taranak’olombelona, miomàna sy mivonòna hitsara ity tanànan’i Jerosalema lian-dra ity! Ampahafantaro azy ny zavatra rehetra maharikoriko nataony.


Ary hoy ny TOMPO tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, miomàna hitsara an’i Ôhôlà sy i Ôhôlibà. Vakio bantsilana ireo asany maharikoriko.


Dia nentin’ny Fanahy izay nanainga ahy niala avy tamin’ny tany aho. Voasariky ny herin’ny TOMPO aho ka tsy nahatohitra, fa lasa nandeha tamin’ny fo nalahelo sady nangitakitaka.


«Ianao, ry ilay taranak’olombelona, visavisao amin’ny Israelita ny tempoly. Aoka ho menatra ny amin’ny helony izy ary handinika izao drafi-panorenana izao.


nampianatra azy tamim-pahefana manko i Jesoa fa tsy mba tahaka ireo mpahay lalàna jiosy.


i Jakôba sy i Jôhany mirahalahy zanak’i Zebedeo ary nampian’i Jesoa anarana hoe Boanerjesy, izany hoe olona mahery setra tahaka ny varatra;


ny fampianarako sy ny toriteniko dia tsy tamin’ny lahateny mampiaiky volana araka ny fahendren’olombelona, fa tamin’ny fandresen-dahatra araka ny herin’ny Fanahy Masina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra