Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mika 2:10 - Baiboly Katolika

«Mitsangàna ianareo, ka mandehana: fa tsy toerana fitsaharana eto,» noho ny loto hampijaly anareo, sy noho ny fampijaliana mampangirifiry.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Mitsangàna ka mialà! Fa tsy eto no fitsaharana, satria misy fahalotoana mahatonga fandringanana eto; eny, fandringanana mafy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Mitsangàna ka mialà, fa tsy misy fitsaharana ho anareo intsony eto. Satria ny fahalotoanareo hahatonga fandringanana, dia fandringanana mahatsiravina.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mitsangàna ka mialà, fa tsy misy fitsaharana ho anareo intsony eto. Satria ny fahalotoanareo hahatonga fandringanana, dia fandringanana mahatsiravina.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Mitsangàna, ka mialà (Fa tsy eto no fitsaharana), Satria misy fahalotoana mahatonga fandringanana eto, eny, fandringanana mafy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Mitsangàna, ka mialà (Fa tsy eto no fitsaharana), Satria misy fahalotoana mahatonga fandringanana eto, eny, fandringanana mafy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Mitsangàna ka mialà! Fa tsy eto no fitsaharana, satria misy fahalotoana mahatonga fandringanana eto; eny, fandringanana mafy.

Jereo ny toko



Mika 2:10
20 Rohy Ifampitohizana  

dia hofongorako eo amin’ny tany nomeko azy i Israely, hariako tsy ho eo imasoko intsony ny trano nohamasiniko ho an’ny Anarako, hanjary fandatsa sy ambentintenin’ny firenena rehetra i Israely;


Tamin’ny andron’i Faseà mpanjakan’i Israely no nahatongavan’i Teglaty-Falasara mpanjakan’i Asiria sy nahazoan’io an’i Ajôna, i Abela-Bety-Maakà, i Janôe, i Kedesa, Asôra, i Galaada ary i Galilea, dia ny tanin’i Neftalì rehetra, sady nentiny ho babo tany Asiria koa ny mponina.


Nony tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Osea dia azon’ny mpanjakan’i Asiria i Samaria, ka nentiny ho babo tany Asiria i Israely namponeniny tany Halà, teo amoron’i Habôra, ony any Gôsàna, ary teny amin’ny tanànan’i Meda.


dia hofongorako amin’ny taniko izay nomeko azy izy ireo; ity trano nohamasiniko ho an’ny Anarako ity, hariako tsy ho eo anatrehako, sy hataoko zary fandatsa sy fanarabin’ny olona any amin’ny firenena rehetra.


Nandatsaka ny ra tsy manan-tsiny izy dia ny ran’ireo zanany lahy aman-janany vavy, nataony sorona tamin’ny sampin’i Kanaana, ka ny tany voaloton’ny vonoana olona.


Ka dia nianiana tamin’ny fahatezerako aho, nanao hoe: «Tsy hiditra amin’ny fitsaharako izy.»


Fa izao no lazain’i Iaveh: «Indro hatsipiko lavitra amin’izao ny mponina amin’ny tany, hotereko mafy izy, mba ho tratry ny fahavalo.»


Andrandrao amin’ny havoana ny masonao, ka jereo: Taiza no tsy nandotoana anao? Nipetraka eny an-dalambe eny ianao mba ho azy ireo, mova tsy ny Arabo any an’efitra! Ary ny fijangajanganao sy ny haratsiam-panahinao, dia efa nandotoanao ny tany;


Ianareo vehivavy, mihainoa ny tenin’i Iaveh, ary aoka horaisin’ny sofinareo ny tenin’ny vavany! Ampianaro hira fitomaniana anankiray ny zanaka vavinareo, ary samia mampianatra hira fisaonana anankiray ny namany avy.


Ry zanak’olona, ry zareo taranak’i Israely, fony izy nitoetra teo amin’ny taniny, dia nandoto azy, tamin’ny fitondran-tenany aman’asany; fa ny fitondran-tenan’izy ireo dia toy ny fahalotoan’ny vehivavy teo anatrehako.


Naeliko ho any amin’ny firenena izy ireo, ka nahahaka tany amin’ny tany samihafa. Notsaraiko araka ny fitondran-tenany aman’asa nataony izy.


fa izao ianareo tsy mbola tonga amin’ny fitsaharana aman-dova omen’i Iaveh Andriamanitrareo anareo.


dia ambarako anareo dieny ankehitriny, fa ho ringana tokoa ianareo; tsy ho lava andro any amin’ny tany efa hidiranareo hanananareo azy, rehefa tafita an’i Jordany, ianao.


dia miantso ny tany aman-danitra aho anio ho vavolombelona hiampanga anareo, fa vetivety foana ianareo, dia ho fongotra eo amin’ny tany izay halehanareo hakanareo azy ho fanananareo, amin’ny fitànareo an’i Jordany; tsy ho lava andro eo ianareo, fa haringana mihitsy.