Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Ravehivavy, lehibe ny finoanao, aoka ho tanteraka aminao araka izay irinao.» Dia sitrana tamin’izany ora izany ihany ny zanany vavy.
Matio 9:22 - Baiboly Katolika Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy, dia nanao hoe: «Matokia, anaka, ny finoanao no nahasitrana anao.» Hatramin’izay dia sitrana ravehivavy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary Jesosy nihodina ka nahita azy dia niteny hoe: Matokia, ry zanako vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin’izay ora izay. DIEM PROTESTANTA Dia nitodika i Jesoa ka nahita azy ary niteny hoe: –Mahereza, anaka; ny finoanao no nahasitrana anao! Ary nanomboka tamin’io ora io dia sitrana ravehivavy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nitodika i Jesoa ka nahita azy ary niteny hoe: –Mahereza, anaka; ny finoanao no nahasitrana anao! Ary nanomboka tamin’io ora io dia sitrana ravehivavy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin’izay ora izay. Malagasy Bible Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin'izay ora izay. La Bible en Malgache Ary Jesosy nihodina ka nahita azy dia niteny hoe: Matokia, ry zanako vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin’izay ora izay. |
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Ravehivavy, lehibe ny finoanao, aoka ho tanteraka aminao araka izay irinao.» Dia sitrana tamin’izany ora izany ihany ny zanany vavy.
Tamin’izay, dia nanatona an’i Jesoa mangingina ny mpianany ka nanao hoe: «Nahoana no tsy naharoaka azy izahay?»
Ary hoy i Jesoa tamin’ilay kapiteny: «Mandehana, ary aoka ho tanteraka aminao araka izay ninoanao.» Dia sitrana tamin’izany ora izany ilay ankiziny.
Dia indro nisy lehilahy anankiray malemy nandry tamin’ny fandriany nentin’ny olona teo aminy. Nony nahita ny finoan’ireo i Jesoa, dia hoy Izy tamin’ilay malemy: «Matokia, anaka, fa voavela ny helokao.»
Dia notendreny ny masony, ka hoy izy: «Aoka ho tanteraka aminareo araka ny finoanareo.»
«Mandehana, hoy i Jesoa, fa ny finoanao no nahavonjy anao.» Dia nahiratra niaraka tamin’izay izy, ka nanaraka Azy teny an-dalana.
Ary hoy Izy taminy: «Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao; mandehana amim-piadanana, ary sitràna amin’ny aretinao.»
Fa hoy Izy tamin-dravehivavy: «Ny finoanao no nahavonjy anao; mandehana amim-piadanana.»
Ary hoy i Jesoa taminy: «Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao; mandehana amim-piadanana.»
Dia fantatry ny rainy, fa tamin’izany ora izany indrindra no nilazan’i Jesoa taminy hoe: «Velona ny zanakao» ka nino izy sy ny mpianakaviny rehetra.
dia hoy izy tamin’ny feo mahery: «Mitsangàna, ka mijoroa amin’ny tongotrao.» Dia niantsàmbotra ralehilahy, ka namindra.
Andro maro no nanaovany toy izany, ka sosotra i Paoly sy nitodika tamin’ny fanahy nanao hoe: «Mandidy anao amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy aho hivoaka aminy.» Dia nivoaka niaraka tamin’izay izy.
Fa isika koa dia nitoriana filazana mahafaly toa an’ireny, saingy tsy nombany finoana ny teny ren’izy ireny, ka tsy nahasoa azy akory.