Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 8:6 - Baiboly Katolika

nanao hoe: «Tompo ô marary malemy mandry any an-trano ny ankizilahiko, sady mijaly mafy dia mafy.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

hoe: Tompoko ô, ny mpanompolahiko dia mandry ao an-trano, malemy izy ka mijaly loatra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

hoe: –Tompo ô, milamaka ao an-tranoko ao re ny mpanompoko, fa malemy sady mijaly mafy dia mafy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

hoe: –Tompo ô, milamaka ao an-tranoko ao re ny mpanompoko, fa malemy sady mijaly mafy dia mafy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

nanao hoe: Tompoko ô, ny ankizilahiko mandry ao an-trano, mararin’ny paralysisa ka mijaly loatra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

nanao hoe: Tompoko ô, ny ankizilahiko mandry ao an-trano, mararin'ny paralysisa ka mijaly loatra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

hoe: Tompoko ô, ny mpanompolahiko dia mandry ao an-trano, malemy izy ka mijaly loatra.

Jereo ny toko



Matio 8:6
12 Rohy Ifampitohizana  

Dia niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona tany aminy ny marary rehetra izay azon’ny aretina sy ny fijaliana samihafa, dia ny mararin-javatra, ny mararin’ny androbe, ny malemy, ka nositraniny ireny.


Hoy i Jesoa taminy: «Ho avy hanasitrana azy Aho.»


Dia indro nisy lehilahy anankiray malemy nandry tamin’ny fandriany nentin’ny olona teo aminy. Nony nahita ny finoan’ireo i Jesoa, dia hoy Izy tamin’ilay malemy: «Matokia, anaka, fa voavela ny helokao.»


Nony lasa ilay Anjely niteny taminy, dia niantso roa lahy tamin’ny mpanompony i Kôrnely sy miaramila anankiray tia vavaka, anisan’izay nanao raharaha taminy,


Fa maro ny olona azon’ny fanahy maloto no nivoahany tamim-pikiakiahana mafy; betsaka ny malemy sy ny mandringa no sitrana koa;


ka nahita lehilahy anankiray atao hoe Enea, izay nandry teo am-pandriana hatramin’ny valo taona, fa malemy,


ka tsy mahalala intsony izay hoe Jentily na Jody, voafora na tsy voafora, barbarianina na Sita, mpanompo na olona afaka, fa izao ihany: i Kristy no zavatra rehetra ao amin’izy rehetra.


Ianareo tompo, manaova ny marina sy ny mety amin’ny mpanomponareo; fa fantatrareo fa manan-Tompo any an-danitra koa ianareo.


Ary raha mpino no tompon’izy ireo, dia havana iray finoana ihany ka aoka tsy hoesoiny, fa vao mainka hotompoiny tsaratsara kokoa aza, satria tsy iza fa havana iray finoana malalany ihany no tompoiny. Tokony hampianarina sy hatorotoro tsara ny olona izany.


tsy toy ny mpanompo intsony, fa mihoatra noho ny mpanompo, dia tahaka ny rahalahy malala, ho ahy indrindra ary mainka fa ho anao, na araka ny nofo, na araka ny Tompo.