Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 8:6 - DIEM PROTESTANTA

6 hoe: –Tompo ô, milamaka ao an-tranoko ao re ny mpanompoko, fa malemy sady mijaly mafy dia mafy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 hoe: Tompoko ô, ny mpanompolahiko dia mandry ao an-trano, malemy izy ka mijaly loatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 hoe: –Tompo ô, milamaka ao an-tranoko ao re ny mpanompoko, fa malemy sady mijaly mafy dia mafy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 nanao hoe: «Tompo ô marary malemy mandry any an-trano ny ankizilahiko, sady mijaly mafy dia mafy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 nanao hoe: Tompoko ô, ny ankizilahiko mandry ao an-trano, mararin’ny paralysisa ka mijaly loatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 nanao hoe: Tompoko ô, ny ankizilahiko mandry ao an-trano, mararin'ny paralysisa ka mijaly loatra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 hoe: Tompoko ô, ny mpanompolahiko dia mandry ao an-trano, malemy izy ka mijaly loatra.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 8:6
12 Rohy Ifampitohizana  

Ary niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona teo aminy avokoa izay mety ho marary ianjadian’ny aretina sy fanaintainana isan-karazany, dia ny azon’ny demony sy ny mararin’ny androbe ary ny malemy ka nositraniny avokoa.


Ary hoy i Jesoa taminy: –Ho avy Aho hanasitrana azy!


Ary indro nisy lehilahy malemy nilamaka am-pandriana, nentin’olona teo aminy. Hitan’i Jesoa ny finoan’ireto olona, ka hoy Izy tamin’ilay malemy: –Mahereza, anaka; voavela ny helokao!


Rehefa lasa ilay anjely niteny taminy teo, dia nantsoin’i Kôrnely ny roa lahy tamin’ny mpanompony sy ny miaramila anankiray mpivavaka, anisan’ireo mpanotrona azy.


Fa maro ny olona nandroahana fanahy maloto ary nikiakiaka ireny fanahy maloto ireny rehefa niala; maro koa ny malemy sy ny mandringa no sitrana.


Tao no nahitany lehilahy malemy anankiray atao hoe Enea, efa valo taona nilamahana teo am-parafara.


Koa amin’izany, tsy misy ny hoe hafa firenena sy Jiosy, voafora sy tsy voafora, olona tsy mivoatra na tratra aoriana, mpanompo sy tsy mpanompo; fa i Kristy no zavatra rehetra sady ao aminareo rehetra.


Ianareo tompo, ento araka ny rariny sy ny hitsiny ny mpanomponareo; satria fantatrareo fa ianareo koa mba manana Tompo any an-danitra.


Ny mpanompo, manana tompo kristianina, dia tsy tokony hanao tsinontsinona azy satria hoe rahalahiny ihany; fa vao mainka tokony hanompo azy tsara aza, satria mpino malalany no anaovany soa. Ireo zavatra ireo no ampianaro sy ampirisiho.


saingy tsy toy ny mpanompo intsony no hanananao azy, fa tsara lavitra noho izany, dia toy ny rahalahy malala. Rahalahy malala tokoa izy ho ahy, mainka fa ho anao, na amin’ny maha olona azy na amin’ny maha mpanara-dia ny Tompo azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra