Ary ianao, ry Kafarnaoma, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin’ny afobe ianao fa raha tany Sôdôma no natao ny fahagagana natao tao aminao, dia mbola ho nitsangan-ko tanàna mandraka androany izy.
Matio 4:13 - Baiboly Katolika ka nony niala tany Nazareta dia tonga tao Kafarnaoma, tanàna amoron-dranomasina ao amin’ny sisin-tanin’i Zabolôna sy i Neftalì ka nonina tao, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa rehefa niala tany Nazareta Izy dia nankany Kapernaomy, izay any amoron-dranomasina, ao amin’ny zaratanin’ny Zebolona sy ny Naftaly ka nonina tao DIEM PROTESTANTA Ary nilaozany i Nazareta ka lasa Izy niorim-ponenana tao Kafarnahòma, tanàna amoron’ny farihin’i Galilea, anatin’ny faritanin’i Zebolòna sy i Naftalỳ. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nilaozany i Nazareta ka lasa Izy niorim-ponenana tao Kafarnahòma, tanàna amoron’ny farihin’i Galilea, anatin’ny faritanin’i Zebolòna sy i Naftalỳ. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nony niala tany Nazareta Izy, dia nankany Kapernaomy, izay ao amoron-dranomasina, ao amin’ny zara-tanin’i Zebolona sy ny Naftaly, ka nonina tao Izy, Malagasy Bible Ary nony niala tany Nazareta Izy, dia nankany Kapernaomy, izay ao amoron-dranomasina, ao amin'ny zara-tanin'ny Zebolona sy ny Naftaly, ka nonina tao Izy, La Bible en Malgache Koa rehefa niala tany Nazareta Izy dia nankany Kapernaomy, izay any amoron-dranomasina, ao amin’ny zaratanin’ny Zebolona sy ny Naftaly ka nonina tao |
Ary ianao, ry Kafarnaoma, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin’ny afobe ianao fa raha tany Sôdôma no natao ny fahagagana natao tao aminao, dia mbola ho nitsangan-ko tanàna mandraka androany izy.
«Mandoa Izy» hoy i Piera. Ary raha niditra tao an-trano izy, dia notsenain’i Jesoa nilazany hoe: «Ahoana no hevitrao, ry Simôna? Iza moa no angalan’ny mpanjaka etỳ an-tany hetra sy hajia? ny zanany sa ny olon-kafa?»
«Ny tanin’i Zabolôna sy ny tanin’i Neftalì, ny lalana ao amoron-dranomasina, any an-dafin’i Jordany, i Galilean’ny Jentily:
Ary nankany Kafarnaoma izy ireo, ka ny sabata voalohany ihany dia niditra tao amin’ny sinagoga Izy sy nampianatra ny olona.
Ary ianao, ry Kafarnaoma izay misondrotra hanakatra ny lanitra, dia haetry hatrany amin’ny afobe ianao.»
Ary hoy kosa i Jesoa taminy: «Marina raha tsy ataonareo amiko ilay ohabolana hoe: ‹Dokotera, sitrano aloha ny tenanao? Ny zava-mahagaga renay nataonao tany Kafarnaoma mba ataovy eto amin’ny tany nahabe Anao koa.› »
Ary rehefa afaka izany, dia nidina nankany Kafarnaoma Izy sy ny Reniny mbamin’ny rahalahiny sy ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela tao izy ireo.
Dia nankany Kanà any Galilea indray Izy, tany amin’ilay nanovàny ny rano ho divay. Ary nisy kosa manamboninahitra anankiray nanan-janakalahy narary tany Kafarnaoma,
dia niondrana tamin’ny sambo kely ka nita ny ranomasina ho any Kafarnaoma. Efa alina ny andro tamin’izay, nefa tsy mbola tonga teo aminy i Jesoa,
Dia niondrana tamin’ireo sambo ireo izy nony nahita fa tsy teo i Jesoa na ny mpianany, ka nankany Kafarnaoma hitady an’i Jesoa.
Izany àry no mofo nidina avy any an-danitra: tsy mba tahaka ny razanareo izay nihinana mana nefa maty ihany; fa izay mihinana ity Mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay.»