Ary nony ren’i Joany tao an-tranomaizina ny nataon’i Kristy, dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy
Matio 4:12 - Baiboly Katolika Ary nony ren’i Jesoa fa natao an-tranomaizina i Joany, dia lasa izy nankany Galilea; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nony ren’i Jesosy fa voasambotra i Jaona dia nihataka nankany Galilia Izy. DIEM PROTESTANTA Nony ren’i Jesoa fa naiditra am-ponja i Jôhany, dia lasa nankany Galilea Izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nony ren’i Jesoa fa naiditra am-ponja i Jôhany, dia lasa nankany Galilea Izy. Baiboly Protestanta Malagasy ARY nony ren’i Jesosy fa efa voasambotra Jaona, dia lasa nankany Galilia Izy. Malagasy Bible Ary nony ren'i Jesosy fa efa voasambotra Jaona, dia lasa nankany Galilia Izy. La Bible en Malgache Nony ren’i Jesosy fa voasambotra i Jaona dia nihataka nankany Galilia Izy. |
Ary nony ren’i Joany tao an-tranomaizina ny nataon’i Kristy, dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy
Fa i Herôda efa nampisambotra an’i Joany, ka nanagadra sy nanao azy an-tranomaizina, noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny.
Ary rehefa natao an-tranomaizina i Joany, dia nankany Galilea i Jesoa nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra,
Fa i Herôda io ihany no naniraka hisambotra sy hamatotra an’i Joany tany an-tranomaizina, noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny izay nalainy ho vady.
Fa vao mainka nanao letrezana izy ireo nanao hoe: «Mampiodina ny vahoaka Izy, aeliny eran’i Jodea manontolo ny fampianarany, dia hatrany Galilea izay nanombohany ka hatraty.»
Tamin’izay i Jesoa dia nentin’ny herin’ny Fanahy niverina tany Galilea indray, ary niely tamin’ny tany manodidina rehetra ny lazany.
Ary nidina tany Kafarnaoma tanànan’i Galilea Izy, ka nampianatra ny olona tamin’ny sabata,
Nony ampitso, niroso nankany Galilea i Jesoa, ary nifanena tamin’i Filipo Izy ka nanao taminy hoe: «Manaraha Ahy.»
Izany nataon’i Jesoa tany Kanà any Galilea izany no santatry ny famantarana nataony; naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany.
Izany no fahagagana faharoa nataon’i Jesoa, rehefa tonga tany Galilea avy tany Jodea Izy.