fa tsy maintsy mitondra vy na zaran-defona izay olona mikasika azy; ary dorana amin’ny afo eo ihany izy.»
Matio 3:10 - Baiboly Katolika Efa ao am-poto-kazo sahady ny famaky: koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina, ka hatsipy any anaty afo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary indro, efa mipetraka eo amin’ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. DIEM PROTESTANTA Indro efa eo am-poto-kazo ny famaky: ka ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ary hatsipy ao anaty afo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Indro efa eo am-poto-kazo ny famaky: ka ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ary hatsipy ao anaty afo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary, indro, efa mipetraka eo amin’ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. Malagasy Bible Ary, indro, efa mipetraka eo amin'ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. La Bible en Malgache Ary indro, efa mipetraka eo amin’ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. |
fa tsy maintsy mitondra vy na zaran-defona izay olona mikasika azy; ary dorana amin’ny afo eo ihany izy.»
Tahaka ny hazo nambolena eo amoron’ny ranovelona izy, ka ny voany tonga amin’ny fotoany; ny raviny tsy mba malazo; ny ataony rehetra vanona avokoa.
Ny masoko faly mitazana ny fahavaloko; ary ny sofiko mandre ny ratsy fanahy mitsangan-kamely ahy.
Rehefa maina ny rantsan-kazo dia tapahina; ka dia avy ny vehivavy hitaina azy. Fa firenena tsy hendry izy, ka tsy hamindra fo aminy Ilay nanao azy, ary tsy hiantra azy Ilay namorona azy.
Hitondra ho an’ny tra-pahoriana ao Siôna sy hanasatroka azy ny satroboninahitra ho solon’ny lavenona, diloilo fifaliana ho solon’ny fisaonana akanjo firavoravoana, ho solon’ny fahareraham-po; dia hantsoin’ny olona hoe: terebintan’ny fahamarinana, volin’i Iaveh ho an’ny voninahiny.
Manahaka ny hazo nambolena eo amoron-drano izy, mandatsaka ny fakany mankany amin’ny rano mandeha; tsy matahotra rehefa tonga ny hainandro, sady maitso ravina mandrakariva; tsy manahy izay taona fahamainana izy, ary tsy mitsahatra ny mamoa.
Ary nahita aviavim-bazaha anankiray teo amoron-dalana Izy, dia nankeo aminy, kanjo tsy nahita teo aminy afa-tsy ravina ihany; dia hoy Izy taminy: «Aza misy voa avy aminao mandrakizay.» Niaraka tamin’izay dia maina ilay aviavy.
Efa mby eo am-poto-kazo sahady ny famaky: koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.»
Ny sampana rehetra tsy mamoa eo amiko dia esoriny, ary izay rehetra mamoa dia rantsanany mba hampamoa azy bebe kokoa.
Izay tsy mitoetra ao amiko dia ariana any ivelany tahaka ny sampana ka maina; ary hangonina ny sampana ka hatsipy ao anaty afo, dia may.
Tandremo fandrao mandà izay miteny ianareo; fa na ry zareo nandà izay niteny teto an-tany aza tsy afa-nandositra, ka mainka isika raha mandà Ilay miteny amintsika avy any an-danitra,
fa hàlany sy efa hozoniny kosa raha maniry tsilo sy hery, ka ny hodoran’ny olona no hiafarany.