Matio 28:12 - Baiboly Katolika Dia novorin’ireo ny loholona ka rehefa niara-nidinika teo izy, dia nanome vola be ny miaramila, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary rehefa tafavory izy ireo mbamin’ny loholona dia nikaon-doha ka nanome vola be ny miaramila DIEM PROTESTANTA Dia nivory niaraka tamin’ireo loholona ny lohandoha-mpisorona; ka rehefa nikaon-doha, dia nanome vola be ny miaramila ry zareo Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nivory niaraka tamin’ireo loholona ny lohandoha-mpisorona; ka rehefa nikaon-doha, dia nanome vola be ny miaramila ry zareo Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa niangona izy mbamin’ny loholona, dia niara-nihevitra ka nanome vola be ny miaramila Malagasy Bible Ary rehefa niangona izy mbamin'ny loholona, dia niara-nihevitra ka nanome vola be ny miaramila La Bible en Malgache Ary rehefa tafavory izy ireo mbamin’ny loholona dia nikaon-doha ka nanome vola be ny miaramila |
Mbola teny an-dalana izy ireo, dia indreny ny mpiambina sasany nankany an-tanàna, ka nilaza tamin’ny lohandohan’ny mpisorona ny zavatra rehetra vao niseho.
ary nilaza taminy hoe: «Aelezo amin’ny olona fa tonga halina ny mpianatra nangalatra Azy raha mbola natory izahay hoe;
Dia namory ny mpanolo-tsaina ny lehiben’ny mpisorona sy ny Farisianina ka nanao hoe: «Inona ity ataontsika, fa manao fahagagana maro iny Lehilahy iny?
Dia narahin’izy ireo izany toroheviny izany ka nantsoiny indray ny Apôstôly, ary nony efa nasainy nokapohina tamin’ny tsora-kazo sy norarany mafy tsy hiteny amin’ny Anaran’i Jesoa intsony, dia nalefany.