Niaraka tamin’izay dia niteny taminy i Jesoa nanao hoe: «Matokia, fa Izaho ihany, ka aza matahotra.»
Matio 28:10 - Baiboly Katolika Dia hoy i Jesoa taminy: «Aza matahotra, fa mandehana asaovy mankany Galilea ny rahalahiko, fa any no hahitany Ahy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy Jesosy: Aza matahotra; fa mandehana, ilazao ny rahalahiko mba hankany Galilia; fa any no hahitany Ahy. DIEM PROTESTANTA Tamin’izay dia hoy i Jesoa taminy: –Aoka izay ny tahotra! Ndeha ampandreneso ireo mpianatro izay rahalahiko, ary asaovy mankany Galilea fa any no hahitany Ahy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izay dia hoy i Jesoa taminy: –Aoka izay ny tahotra! Ndeha ampandreneso ireo mpianatro izay rahalahiko, ary asaovy mankany Galilea fa any no hahitany Ahy. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Jesosy taminy: Aza matahotra; fa mandehana, ka asaovy mankany Galilia ny rahalahiko; fa any no hahitany Ahy. Malagasy Bible Dia hoy Jesosy taminy: Aza matahotra; fa mandehana, ka asaovy mankany Galilia ny rahalahiko; fa any no hahitany Ahy. La Bible en Malgache Dia hoy Jesosy: Aza matahotra; fa mandehana, ilazao ny rahalahiko mba hankany Galilia; fa any no hahitany Ahy. |
Niaraka tamin’izay dia niteny taminy i Jesoa nanao hoe: «Matokia, fa Izaho ihany, ka aza matahotra.»
Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto havako kely indrindra ireto ianareo, dia nanao izany tamiko.
Fa hovaliany hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny tsy nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto kely indrindra ireto ianareo, dia tsy nanao izany tamiko koa.
Ary ny mpianatra iraika ambin’ny folo nankany Galilea, any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesoa nalehany.
Dia niteny tamin’ireo vehivavy ny Anjely nanao hoe: «Aza matahotra ianareo; fantatro fa mitady an’i Jesoa izay nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana ianareo.
Mandehana haingana milaza amin’ny mpianany fa efa nitsangan-ko velona avy any amin’ny maty Izy, ary indro hialoha anareo any Galilea Izy; any no hahitanareo Azy; izany àry, fa efa nilazako ianareo izay.»
Ary indro i Jesoa niseho taminy nanao hoe: «Arahaba.» Dia nanatona Azy izy ka namihina ny tongony, sy niankohoka teo anatrehany.
Fa mandehana lazao amin’ny mpianany sy amin’i Piera fa hialoha anareo any Galilea Izy, ka any no hahitanareo Azy araka ny efa voalazany taminareo.»
«Aza mikasika Ahy, hoy i Jesoa taminy, fa mbola tsy niakatra tany amin’ny Ray Aho, fa mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin’ny Raiko sy Rainareo Aho, ary any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.»
Satria izay fantany rahateo no notendreny hitovy endrika amin’ny Zanany koa, mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy.
Sady nariany tokoa ny andriamani-kafa teo aminy, dia nanompo an’i Iaveh izy ireo; koa ny fanahiny tsy nahajery fotsiny intsony ny fahorian’i Israely.