Hotriariny eto amin’ity tendrombohitra ity ny voaly manarona ny olona rehetra, mbamin’ny rakotra mandrakotra ny firenena rehetra.
Matio 27:59 - Baiboly Katolika Noraisin’i Josefa ny faty, dia nofonosiny lamba fotsy madio, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary rehefa nalain’i Josefa ny faty ka nofonosiny lamba hariry madinika madio DIEM PROTESTANTA Nalain’i Jôsefa ny vatan’i Jesoa, dia nofonosiny lamba sarobidy madio Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nalain’i Jôsefa ny vatan’i Jesoa, dia nofonosiny lamba sarobidy madio Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa nalain’i Josefa ny faty ka nofonosiny hariry madinika madio, Malagasy Bible Ary rehefa nalain'i Josefa ny faty ka nofonosiny hariry madinika madio, La Bible en Malgache Ary rehefa nalain’i Josefa ny faty ka nofonosiny lamba hariry madinika madio |
Hotriariny eto amin’ity tendrombohitra ity ny voaly manarona ny olona rehetra, mbamin’ny rakotra mandrakotra ny firenena rehetra.
ary naleviny tao amin’ny fasana vaovao nolavahana tamin’ny vatolampy, izay nampanaoviny ho an’ny tenany. Nony nakodiany ny vato makadiry tamin’ny varavaram-pasana, dia lasa izy.
Dia nividy lamba i Josefa, ka nony efa nampidina ny maty dia namono lamba Azy, sy nandevina Azy tamin’ny fasana nolavahana tamin’ny vato, ary nanakodia ny vato tamin’ny varavaram-pasana.
Dia nampidininy ny faty ka nofonosiny lamba, ary naleviny tao anatin’ny fasana anankiray nolavahana tamin’ny vato, sy tsy mbola nandevenana olona.