Izay mikimpy maso hieritreri-pitaka, sy izay efa manaikitraiki-molotra, dia manao ratsy.
Matio 27:23 - Baiboly Katolika «Aoka hofantsihana amin’ny Hazofijaliana Izy,» hoy izy rehetra. «Fa inona àry no ratsy nataony e?» hoy ny governora. Dia vao mainka nihorakoraka izy nanao hoe; «Fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy ny governora: Inona ary no ratsy nataony? Fa vao mainka niantsoantso izy rehetra hoe: Aoka hohomboana amin’ny hazofijaliana Izy! DIEM PROTESTANTA Dia hoy ny governora: –Fa inona ary no ratsy nataony? Kanjo vao mainka koa niantsoantso mafy ny vahoaka nanao hoe: –Aoka Izy hohomboana amin’ny hazofijaliana! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy ny governora: –Fa inona ary no ratsy nataony? Kanjo vao mainka koa niantsoantso mafy ny vahoaka nanao hoe: –Aoka Izy hohomboana amin’ny hazofijaliana! Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy ny governora: Inona ary no ratsy nataony? Fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Aoka hohomboana amin’ny hazofijaliana Izy! Malagasy Bible Fa hoy ny governora: Inona ary no ratsy nataony? Fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Aoka hohomboana amin'ny hazo fijaliana Izy! La Bible en Malgache Fa hoy ny governora: Inona ary no ratsy nataony? Fa vao mainka niantsoantso izy rehetra hoe: Aoka hohomboana amin’ny hazofijaliana Izy! |
Izay mikimpy maso hieritreri-pitaka, sy izay efa manaikitraiki-molotra, dia manao ratsy.
Ary hoy i Pilaty taminy: «Ahoana kosa àry no hataoko amin’i Jesoa Izay atao hoe Kristy?»
Nony hitan’i Pilaty, fa tsy nahomby izy fa vao mainka nitombo aza ny tabataba, dia nampaka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan’ny vahoaka ary nanao hoe: «Afa-tsiny amin’ny Ran’io Lehilahy marina io aho; fa raharahanareo.»
Ary hoy i Pilaty tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny vahoaka: «Tsy hitako izay mahameloka io Lehilahy io.»
ary na dia tsy nahita izay tokony hanamelohana Azy ho faty aza izy ireo, dia nangataka ny hamonoana Azy tamin’i Pilaty.
Vao mainka nitombo anefa ny fifandirana. Efa nataon’ny komandy hotetehin’ny olona teo mihitsy i Paoly, ka nasainy nidina ny miaramila haka azy an-kery teo afovoan’ny vahoaka, sy hitondra azy ho any anaty rova.
Dia notarihiny tany ivelan’ny tanàna izy, ka notorahany vato; ary ny vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo an-tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly.