Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 26:72 - Baiboly Katolika

fa nandà fanindroany indray izy sady nianiana nanao hoe: «Tsy fantatro izany lehilahy izany.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nandà indray tamin’ny fianianana izy hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary nandà indray i Petera ka nanao hoe: –Mianiana aho fa tsy fantatro izany Lehilahy izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary nandà indray i Petera ka nanao hoe: –Mianiana aho fa tsy fantatro izany Lehilahy izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nandà indray tamin’ny fianianana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nandà indray tamin'ny fianianana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nandà indray tamin’ny fianianana izy hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany.

Jereo ny toko



Matio 26:72
11 Rohy Ifampitohizana  

«Tsy hanonom-poana ny Anaran’i Iaveh Andriamanitrao ianao, fa tsy avelan’i Iaveh tsy ho voasazy izay manonom-poana ny Anarany.»


Mihainoa izao, ry taranak’i Jakôba, ianareo izay antsoina amin’ny anaran’i Israely; nateraky ny loharanon’i Jodà, mianiana amin’ny Anaran’i Iaveh, ary mankalaza ny Andriamanitr’i Israely, nefa tsy amin’ny fo mahitsy na araka ny hitsim-po.


aza misaintsaina ao am-ponareo ny lozan’ny namanareo, ary aza tia ny fianianan-tsy to; fa halako avokoa izany rehetra izany,» - teny marin’i Iaveh. -


Hanatona anareo Aho ho amin’ny fitsarana; ary ho vavolombelona faingana hamely ny mpanao ody, ny mpaka vadin’olona, ny mpianian-tsy to, ny mpiharaka ny karaman’ny mpikarama, ny mpampahory ny kamboty sy ny mpitondratena, ny mandroaka ny vahiny ary ny tsy matahotra Ahy, hoy i Iavehn’ny tafika.


Dia nankeo am-bavahady izy, ndeha hitsoaka, fa hitan’ny ankizy vavy anankiray hafa koa, ka nolazainy tamin’ny olona teo hoe: «Ity koa naman’i Jesoa Nazareanina»;


Nony afaka kelikely dia nohatonin’ny olona teo i Piera, ka nilazany hoe: «Marina tokoa raha tsy namany ianao, fa na ny fiteninao aza dia ampy hahalalana izany.»


Ary tamin’izay dia sady niozona izy no nianiana fa tsy fantany izany lehilahy izany. Niaraka tamin’izay naneno ny akoho,


Fa hoy i Jesoa: «Lazaiko aminao, ry Piera, fa mbola tsy haneno ny akoho anio, dia handà intelo ho tsy mahalala Ahy ianao.»