Fa hoy i Piera taminy: «Na dia hiara-maty aminao aza aho, dia tsy handà Anao.» Dia nilaza toy izany koa ny mpianatra rehetra.
Matio 26:51 - Baiboly Katolika Ary indro ny anankiray amin’izay teo amin’i Jesoa nandray ny sabany, dia namely ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona ka nahafaka ny sofiny anila. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary indro, ny iray tamin’ireo izay niaraka tamin’i Jesosy dia nanatsotra ny tanany, dia nanatsoaka ny sabany ka nikapoka ny mpanompon’ny Mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny. DIEM PROTESTANTA Indro kosa ny anankiray tamin’ireo nomba an’i Jesoa fa naninjitra tanana ka nanatsoaka sabatra, ary namely ny mpanompon’ny mpisorombe ka nahafaka ny sofiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Indro kosa ny anankiray tamin’ireo nomba an’i Jesoa fa naninjitra tanana ka nanatsoaka sabatra, ary namely ny mpanompon’ny mpisorombe ka nahafaka ny sofiny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary, indro, ny anankiray tamin’izay nomba an’i Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanatsoaka ny sabany ka nikapa ny mpanompon’ny mpisorona-be ary nahafaka ny sofiny. Malagasy Bible Ary, indro, ny anankiray tamin'izay nomba an'i Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanatsoaka ny sabany ka nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny. La Bible en Malgache Ary indro, ny iray tamin’ireo izay niaraka tamin’i Jesosy dia nanatsotra ny tanany, dia nanatsoaka ny sabany ka nikapoka ny mpanompon’ny Mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny. |
Fa hoy i Piera taminy: «Na dia hiara-maty aminao aza aho, dia tsy handà Anao.» Dia nilaza toy izany koa ny mpianatra rehetra.
Fa ny anankiray amin’izay teo aminy nanatsoaka sabatra, dia namely ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona, ka nahafaka ny sofiny an’ila.
Fa nitodika Izy ka nananatra azy mafy hoe: «Tsy fantatrareo mantsy izay tokony ho fanahinareo.
I Jesoa namaly hoe: «Tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakako: fa raha anisan’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny oloko, ka tsy ho voarain’ny Jody Aho; fa tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakako.»
satria tsy fiadiana ara-batana no iadianay, fa mahery araka an’Andriamanitra handrava manda.