Fa tsy mba hangozohozo na oviana na oviana izy, hamela fahatsiarovana mandrakizay ny marina.
Matio 26:13 - Baiboly Katolika Lazaiko marina aminareo fa na aiza na aiza hitoriana ity Evanjely ity amin’izao tontolo izao, dia holazaina koa ny nataon-dravehivavy ho fankalazana azy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza eto amin’izao tontolo izao no itoriana ity Filazantsara ity dia hotantaraina koa izay nataon’ity vehivavy ity mba ho fahatsiarovana azy. DIEM PROTESTANTA Lazaiko marina aminareo fa na aiza na aiza eran’izao tontolo izao hanambaràna ity Vaovao Mahafaly ity dia holazaina koa izao nataon’ity vehivavy ity izao mba ho fahatsiarovana azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Lazaiko marina aminareo fa na aiza na aiza eran’izao tontolo izao hanambaràna ity Vaovao Mahafaly ity dia holazaina koa izao nataon’ity vehivavy ity izao mba ho fahatsiarovana azy. Baiboly Protestanta Malagasy Lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin’izao tontolo izao no hitoriana ity filazantsara ity, dia holazaina koa izay nataon-dravehivavy mba ho fahatsiarovana azy. Malagasy Bible Lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin'izao tontolo izao no hitoriana ity filazantsara ity, dia holazaina koa izay nataon-dravehivavy mba ho fahatsiarovana azy. La Bible en Malgache Lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza eto amin’izao tontolo izao no itoriana ity Filazantsara ity dia hotantaraina koa izay nataon’ity vehivavy ity mba ho fahatsiarovana azy. |
Fa tsy mba hangozohozo na oviana na oviana izy, hamela fahatsiarovana mandrakizay ny marina.
Miaraha mihoby an-kafalina, ry Jerosalema rava! Fa i Iaveh efa nampionona ny vahoakany, sy efa nanavotra an’i Jerosalema.
Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra ity, mba ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.
koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina;
Lazaiko marina aminareo fa na aiza na aiza hitoriana ity Evanjely ity amin’izao tontolo izao, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao ho fankalazana azy.»
Ary hoy Izy taminy; «Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra.
ary tsy maintsy torina amin’ny firenen-drehetra, miantomboka amin’i Jerosalema ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anarany.
Dia nijery azy izy, ka raiki-tahotra, sy nanao hoe: «Ahoana, Tompoko?» Ary hoy ny Anjely taminy: «Tafakatra eo anatrehan’Andriamanitra ho fahatsiarovana anao ny vavakao sy ny fiantranao.
Fa hoy izaho: Sao dia tsy nandre izy ireo? Tsy izany akory; lasa nanerana ny tany rehetra ny feony, ary tonga hatramin’ny faravazantany ny teniny.
na tamin’ny herim-pamantarana amam-pahagagana, na tamin’ny Fanahy Masina; hany ka tongako hatraiza hatraiza ny fitoriana ny Evanjelin’i Kristy, dia hatrany Jerosalema sy ny manodidina ka hatrany Iliria;
raha tahiny ianareo maharitra sy miorina mafy amin’ny fanantenana avy amin’ny Evanjely, izay efa renareo sy notorina taminareo ary nanendrena ahy, Paoly, ho mpandraharaha.
Ny Evanjely efa tonga atỳ aminareo, dia tonga amin’izao tontolo izao mihitsy, sady vokatra sy mitombo toy ny atỳ aminareo koa, hatramin’ny andro nandrenesanareo azy sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan’Andriamanitra ao anatin’ny marina,
izay nanolotra ny Tenany ho avotry ny olombelona rehetra: zavatra voaambara tamin’ny fotoany izany,
Fa tsy mba tsy marina Andriamanitra, sanatria! Ka hanadino ny asanareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho voninahitry ny Anarany, tamin’ny nanampianareo sy mbola anampianareo ny olo-masina.
Dia nahita Anjely anankiray hafa koa aho, nanidina teo afovoan’ny lanitra, nitondra ny Evanjely mandrakizay, hotorîny amin’ny mponina eto an-tany, dia amin’ny firenena rehetra, sy amin’ny foko aman-tsamihafa fiteny, mbamin’ny fanjakana rehetra.
Noho izany, izao no tenin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Fa efa voalazako fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; nefa ankehitriny, aza ho toy izany intsony, hoy i Iaveh. Fa izay manaja Ahy no hohajaiko, ary izay maniratsira Ahy no hotsiratsiraiko koa.