Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 24:13 - Baiboly Katolika

fa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Kanefa izay maharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Kanefa izay maharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.

Jereo ny toko



Matio 24:13
12 Rohy Ifampitohizana  

ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako; fa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.


Ary noho ny habetsahan’ny faharatsiana, dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro;


Handre ady sy filazana ady ianareo; aza taitra, fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola izany no ho farany.


ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako; fa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.»


Ny faharetanareo no hamonjenareo ny tenanareo.


Fa ireo latsaka amin’ny tany tsara kosa no izay mihaino ny teny amin’ny fo marina sy tsara, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.› »


fiainana mandrakizay moa ho an’izay maharitra manao ny tsara ka mitady ny haja amam-boninahitra sy ny tsy fahafatesana;


Izy ihany koa no hampiorina anareo hatramin’ny farany, mba tsy hanan-tsiny ianareo amin’ny andron’i Jesoa Kristy Tompontsika.


Raha isika, dia tsy mba anisan’izay mihataka ho very isika, fa naman’ireo mino mba hamonjy ny fanahy.


Fa efa tonga mpiombona amin’i Kristy isika, raha tanantsika mafy hatramin’ny farany ny fahatokiantsika voalohany,


fa i Kristy kosa dia toy ny Zanaka manapaka ny tranon’ny tenany, ary isika no tranony, raha tanantsika mafy hatramin’ny farany ny fahasahiana sy ny hafaliana masina vokatry ny fanantenana.


Aza matahotra na inona na inona amin’izay efa hiaretanao. Indro, efa handatsaka ny sasany aminareo an-tranomaizina ny devoly, mba ho voazaha toetra ianareo, sy hiari-pahoriana hafoloana. Mahareta ambara-pahafaty, dia homeko anao ny satroboninahitry ny fiainana