Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 22:42 - Baiboly Katolika

«Ahoana ny hevitrareo ny amin’i Kristy? Zanak’iza Izy?» «Zanak’i Davida» hoy ireo taminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ahoana ny hevitrareo ny amin’i Kristy? Zanak’iza moa Izy? Dia hoy ireo Taminy: Zanak’i Davida.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

nanao hoe: –Ahoana no hevitrareo ny amin’ny Mesia, Zanak’iza moa Izy? Dia novalian’ireo hoe: – Zanak’i Davida!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

nanao hoe: –Ahoana no hevitrareo ny amin’ny Mesia, Zanak’iza moa Izy? Dia novalian’ireo hoe: – Zanak’i Davida!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ahoana no hevitrareo ny amin’i Kristy? Zanak’iza moa Izy? Hoy izy taminy: Zanak’i Davida.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ahoana no hevitrareo ny amin'i Kristy? Zanak'iza moa Izy? Hoy izy taminy: Zanak'i Davida.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ahoana ny hevitrareo ny amin’i Kristy*? Zanak’iza moa Izy? Dia hoy ireo Taminy: Zanak’i Davida.

Jereo ny toko



Matio 22:42
24 Rohy Ifampitohizana  

Amin’izany andro izany ny tranobongon’i Davida efa nianjera, hatsangako indray, ny banga hotampenako, ny rava hamboariko; ka haoriko indray ho tahaka ny tamin’ny andro taloha;


Filazana ny razan’i Jesoa-Kristy, Zanak’i Davida, zanak’i Abrahama:


Tamin’izay, ry zareo teo an-tsambo kely dia nanatona Azy sy nitsaoka Azy nanao hoe: «Tena Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao.»


ary ny vahoaka izay nialoha sy izay nanaraka Azy, samy niantso nanao hoe: «Hôzàna ho an’ny Zanak’i Davida. Hisaorana anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Hôzàna any amin’ny avo indrindra.»


Ka nahoana àry i Davida, hoy Izy tamin’ireo, raha tsindrian’ny Fanahy Masina no miantso Azy ho Tompo, fa hoy izy hoe:


Ary nony niala teo i Jesoa, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy, sady niantso mafy nanao hoe: «Ry Zanak’i Davida ô! mamindrà fo aminay.»


Dia namaly Azy i Natanaely, ka nanao hoe: «Raby ô, Ianao no zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’i Israely.»


Dia namaly i Tomà ka nanao taminy hoe: «Tompoko sy Andriamanitro!»


ka tsy mahalala intsony izay hoe Jentily na Jody, voafora na tsy voafora, barbarianina na Sita, mpanompo na olona afaka, fa izao ihany: i Kristy no zavatra rehetra ao amin’izy rehetra.