Matio 22:4 - Baiboly Katolika
Dia naniraka ankizy hafa indray izy nanao hoe: ‹Lazao amin’ny nasaina hoe: Indro efa voavoatra ny nahandro ka efa voavono ny ombiko sy ny zavatra rehetra, koa tongava atỳ amin’ny fampakaram-bady ianareo›.
Jereo ny toko
Dia naniraka mpanompo hafa indray izy ka niteny hoe: Lazao amin’ireo izay efa nasaina hoe: Indro, efa vonona ny sakafo nomaniko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko ka efa vonona avokoa ny zavatra rehetra; koa tongava amin’izay atỳ amin’ny fampakaram-bady ianareo.
Jereo ny toko
Dia mpiasa hafa indray no nirahiny sady nataony hoe: «Izao lazaina amin’ireo olona nasaina: Indro ny sakafo efa voaomako, ny ombiko sy ny biby nafahy efa voavono ary ny zavatra rehetra efa vonona; koa tongava amin’ny fanasambe.»

Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy ka nanao hoe: Lazao amin’izay efa nasaina hoe: Indro, efa voavoatra ny nahandroko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko, ka efa voavoatra avokoa ny zavatra rehetra; koa mankanesa atỳ amin’ny fampakaram-bady hianareo.
Jereo ny toko
Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy ka nanao hoe: Lazao amin'ny efa nasaina hoe: Indro, efa voavoatra ny nahandroko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko, ka efa voavoatra avokoa ny zavatra rehetra; koa mankanesa atỳ amin'ny fampakaram-bady ianareo.