Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 20:5 - Baiboly Katolika

Dia nankany ireo. Ary nivoaka indray izy tamin’ny ora fahenina sy fahasivy, ka nanao toraka izany koa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary niainga indray izy tamin’ny ora fahenina sy fahasivy ka niteny toy izany koa.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Niainga koa izy tamin’ny 12 antoandro sy tamin’ny telo tolakandro, ary dia nanao toy izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Niainga koa izy tamin’ny 12 antoandro sy tamin’ny telo tolakandro, ary dia nanao toy izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nivoaka tamin’ny ora fahenina sy fahasivy indray izy ka nanao toy izany koa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nivoaka tamin'ny ora fahenina sy fahasivy indray izy ka nanao toy izany koa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary niainga indray izy tamin’ny ora fahenina sy fahasivy ka niteny toy izany koa.

Jereo ny toko



Matio 20:5
15 Rohy Ifampitohizana  

ka andeha koa ianareo, hoy izy taminy, mankany amin’ny tanimboaloboko, fa homeko anareo izay antonony.


Ary dia nivoaka koa izy tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo, ka nahita mpiasa hafa nijanom-poana, dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no midonana-poana eto mandritra ny andro?


Ary hatramin’ny ora fahenina ka hatramin’ny ora fahasivy dia rakotry ny haizina ny tany rehetra.


dia hoy Izy taminy: «Avia fa ho hitanareo.» Dia nandeha izy ireo ka nahita izay nitoerany, sy nitoetra teo aminy tamin’iny andro iny; ary tokony ho tamin’ny ora fahafolo tamin’izay.


Dia hoy i Jesoa taminy: «Tsy roa ambin’ny folo ora va ny indray andro? Ka ny mandeha antoandro tsy mba tafintohina, satria mahita ny fahazavan’izao tontolo izao;


teo no nisy ny fantsakan’i Jakôba. Ary sasatry ny dia nalehany i Jesoa ka nipetraka tsotra izao teo amoron’ny fantsakana, tokony ho tamin’ny ora fahenina.


Indray antoandro tokony ho tamin’ny ora fahasivy, dia nisy Anjelin’Andriamanitra anankiray hitany miharihary tamin’ny tsindrimandry, niditra tao aminy, sy nilaza taminy hoe: «Ry Kôrnely!»


Nony ampitso, raha mbola teny an-dalana ireo iraka ireo, ka efa mby akaikin’ny tanàna, i Piera kosa niakatra teo ambonin’ny tampon-trano mba hivavaka, tokony ho tamin’ny ora fahenina.


Ary i Piera sy i Joany nankao an-Tempoly tamin’ny fotoam-pivavahana amin’ny ora fahasivy.