Izao no lazain’i Iaveh: Aiza izay taratasy fisaorana an-dreninao, nisaorako azy? Iza no manan-trosa amiko, nivarotako anareo? Tsia, noho ny tsy fahamarinanareo ihany, no nivarotana anareo; noho ny fahotanareo ihany, no nisaorana an-dreninareo.
Matio 19:7 - Baiboly Katolika «Ka nahoana i Môizy, hoy ireo taminy, no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy ireo Taminy: Nahoana ary i Mosesy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy (Deo 24.1)? DIEM PROTESTANTA Fa hoy ireo Farisianina tamin’i Jesoa: –Koa nahoana àry no nandidian’i Mosesy ny lehilahy hanome taratasy fisaraham-panambadiana ho an’ny vadiny rehefa hanary azy? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa hoy ireo Farisianina tamin’i Jesoa: –Koa nahoana àry no nandidian’i Mosesy ny lehilahy hanome taratasy fisaraham-panambadiana ho an’ny vadiny rehefa hanary azy? Baiboly Protestanta Malagasy Hoy ireo taminy: Nahoana ary Mosesy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy? (Deo. 24.1). Malagasy Bible Hoy ireo taminy: Nahoana ary Mosesy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy? (Deo. 24. 1). La Bible en Malgache Hoy ireo Taminy: Nahoana ary i Mosesy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy (Deo 24.1)? |
Izao no lazain’i Iaveh: Aiza izay taratasy fisaorana an-dreninao, nisaorako azy? Iza no manan-trosa amiko, nivarotako anareo? Tsia, noho ny tsy fahamarinanareo ihany, no nivarotana anareo; noho ny fahotanareo ihany, no nisaorana an-dreninareo.
Ary hitako fa izany fitolorana tena amin’ny hafa izany, no nisaorako an’i Israely mpiodina, sy nanomezako azy taratasy fisaorana: nefa tsy natahotra akory i Jodà, mpivadika, rahavaviny, fa lasa nitolo-tena tamin’ny hafa mbamin’izy koa aza.
Fa halako ny fisaoram-bady, hoy i Iaveh, Andriamanitr’i Israely, satria ny manao izany, dia ny manototra fahasahiana ny fitafiany, hoy i Iavehn’ny tafika. Koa mitandrema ny fitondran-tenanareo fa aza misy mamitaka.
Ary i Josefa vadiny, noho izy lehilahy marina sady tsy ta hanala baràka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina.
Noho izany tsy roa intsony izy, fa nofo iray. Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’ny olona.»
Dia hoy Izy taminy: «Ny hamafin’ny fonareo no nanomezan’i Môizy alalana anareo hisao-bady; fa hatramin’ny voalohany dia tsy mba toy izany.
Ary koa efa voalaza hoe: Na iza na iza hisaotra ny vadiny, dia aoka hanome azy ny taratasy fisaorana.
Dia hoy Izy: «Nomen’i Môizy alalana hanao taratasy fisaoram-bady sy hisao-bady ny lehilahy.»