ny tananao hanafaka amin’ny olombelona, dia amin’ny olon’izao tontolo izao izay mahazo ny anjarany amin’ny fiainana ankehitriny, izay fenoinao harena ny kibony; sy vokisanao anaka, ary mamela ho an’ny zafiny ny ambim-bavany.
Matio 19:22 - Baiboly Katolika Nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin’alahelo, satria be ny fananany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa nony nandre izany teny izany ilay zatovo dia niala tamin’alahelo satria nanankarena be izy. DIEM PROTESTANTA Nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia lasa nandeha tamin’alahelo, satria nanan-karem-be. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia lasa nandeha tamin’alahelo, satria nanan-karem-be. Baiboly Protestanta Malagasy Fa nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin’alahelo izy, satria nanana fananana be. Malagasy Bible Fa nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin'alahelo izy, satria nanana fananana be. La Bible en Malgache Fa nony nandre izany teny izany ilay zatovo dia niala tamin’alahelo satria nanankarena be izy. |
ny tananao hanafaka amin’ny olombelona, dia amin’ny olon’izao tontolo izao izay mahazo ny anjarany amin’ny fiainana ankehitriny, izay fenoinao harena ny kibony; sy vokisanao anaka, ary mamela ho an’ny zafiny ny ambim-bavany.
Ary dia mankao aminao izy ireo toy ny fiavin’ny vahoaka be; mipetraka eo anatrehanao ny vahoakanao; mihaino ny teninao, nefa tsy manatanteraka izany, fa izay ankasitrahin’ny vavany no ataony, ny filan-karena no arahin’ny fony.
Ilay nafafy tany anaty tsilo no izay mandre ny teny, fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena, mamono ny teny ao aminy, ka tonga tsy mamoa izy.
Dia nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy noho ny olona niara-nihinana taminy, dia nasainy nomena azy ihany izany;
Inona no soa ho azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny?
Ary hoy i Jesoa taminy: «Raha tahiny tianao ny ho lavorary, andeha amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao; ary raha efa izany dia avia hanaraka Ahy.»
Ary dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: «Lazaiko marina aminareo fa sarotra ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Tsy misy olona mahay manompo tompo roa, fa ny anankiray ho hàlany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombàny, ary ny anankiray hoesoiny. Koa tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny vola ianareo.
Nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy noho ireo olona niara-nihinana taminy dia tsy sahy nandà an-drazazavavy izy,
Lazaiko marina aminareo fa hitomany sy higogogogo ianareo, ary hifaly izao tontolo izao; halahelo ianareo, fa hody hafaliana ny alahelonareo.
Satria fantaro tsara fa rehefa mety ho olona mpijangajanga, na vetaveta, na mpanarana filàn-dratsin’ny nofo (mpanompo sampy izany), dia tsy handova ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra.
Koa ataovy maty àry ny rantsam-batanareo, dia ny an’ny etỳ an-tany, izany hoe: ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny fahavetavetana, ny fanirian-dratsy, ary ny filàn-dratsin’ny nofo izay fanompoan-tsampy;