Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 17:18 - Baiboly Katolika

Tamin’izay, dia nanatona an’i Jesoa mangingina ny mpianany ka nanao hoe: «Nahoana no tsy naharoaka azy izahay?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary niteny mafy azy Jesosy dia niala taminy ny demonia ka sitrana tamin’izay ora izay ilay zazalahy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia notenenin’i Jesoa mafy ny demony ka niala tamin’ilay zaza; ary sitrana razazalahy nanomboka hatramin’io ora io.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia notenenin’i Jesoa mafy ny demony ka niala tamin’ilay zaza; ary sitrana razazalahy nanomboka hatramin’io ora io.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary niteny mafy azy Jesosy, dia nivoaka taminy ny demonia, ka sitrana ilay zazalahy tamin’izay ora izay.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary niteny mafy azy Jesosy, dia nivoaka taminy ny demonia, ka sitrana ilay zazalahy tamin'izay ora izay.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary niteny mafy azy Jesosy dia niala taminy ny demonia* ka sitrana tamin’izay ora izay ilay zazalahy.

Jereo ny toko



Matio 17:18
15 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay nisy lehilahy azon’ny demony, sady jamba no moana, nentina teo aminy: dia nositraniny io, ka niteny sy nahita.


Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Ravehivavy, lehibe ny finoanao, aoka ho tanteraka aminao araka izay irinao.» Dia sitrana tamin’izany ora izany ihany ny zanany vavy.


Dia norahonan’i Jesoa ny demony ka nivoaka, ary sitrana niaraka tamin’izay razazalahy.


«Noho ny tsy fahampian’ny finoanareo,» hoy i Jesoa taminy. Fa lazaiko marina aminareo, fa raha manam-pinoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo, ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: «Mifindrà erỳ ianao, dia hifindra izy, ary tsy hisy tsy ho azonareo atao.


Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy, dia nanao hoe: «Matokia, anaka, ny finoanao no nahasitrana anao.» Hatramin’izay dia sitrana ravehivavy.


Dia nanasitrana olona maro nararin’ny aretina samihafa Izy, sady nandroaka demony maro, fa tsy navelany hiteny ny demony, satria nahalala Azy.


satria i Jesoa efa nanao taminy hoe: «Mivoaha amin’ity lehilahy ity, ry fanahy maloto.»


Nisy demony nivoaka tamin’ny olona maro koa niantso hoe: «Ianao no Zanak’Andriamanitra,» fa norahonany tsy hiteny izy ireo noho izy nahalala Azy ho Kristy.


Fa i Jesoa efa nandidy ny fanahy maloto hiala amin-dralehilahy. Fa matetika no nasian’ny fanahy maloto izy io, ka na nofatorana rojo vy sy nogadràn-tongotra aza, dia tapany ny fatorany, ka nentin’ny demony niriorio foana tany an’efitra tany izy.


Nony nanatona ilay zaza, dia nazeran’ny demony ka nakapony izaitsizy;


Andro maro no nanaovany toy izany, ka sosotra i Paoly sy nitodika tamin’ny fanahy nanao hoe: «Mandidy anao amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy aho hivoaka aminy.» Dia nivoaka niaraka tamin’izay izy.