Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 16:6 - Baiboly Katolika

Ary hoy i Jesoa taminy: «Tandremo fandrao azon’ny lalivain’ny Farisianina sy ny Sadoseanina ianareo.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy Jesosy taminy: Mandiniha ianareo ka mitandrema mba tsy ho azon’ny masirasiran’ny Fariseo sy ny Sadoseo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ary hoy i Jesoa taminy: –Mbà malina ka mitandrema tsy ho voan’ny levioran-dry zareo Farisianina sy Tsadoseanina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ary hoy i Jesoa taminy: –Mbà malina ka mitandrema tsy ho voan’ny levioran-dry zareo Farisianina sy Tsadoseanina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Jesosy taminy: Mihevera, ka mitandrema hianareo, fandrao azon’ny masirasiran’ny Fariseo sy ny Sadoseo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Jesosy taminy: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny Sadoseo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy Jesosy taminy: Mandiniha ianareo ka mitandrema mba tsy ho azon’ny masirasiran’ny Fariseo* sy ny Sadoseo*.

Jereo ny toko



Matio 16:6
15 Rohy Ifampitohizana  

«Ny fanatitra rehetra aterinao ho an’i Iaveh dia amboarina tsy asiana lalivay; fa tsy azonareo dorana hanetona ho sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh rehefa zavatra misy lalivay na tantely.


Ary nanatona Azy ny Farisianina sy ny Sadoseanina haka fanahy Azy, ka nangataka taminy mba hampiseho aminy famantarana avy any an-danitra.


Ahoana no tsy ahalalanareo fa tsy ny mofo no nantsoiko tamin’Izaho nilaza taminareo hoe: Tandremo ny lalivain’ny Farisianina sy ny Sadoseanina?»


Izay vao fantatr’izy ireo fa tsy ny lalivay amin’ny mofo no nasainy notandremana, fa ny fampianaran’ny Farisianina sy ny Sadoseanina.


Fa nony efa tafita ny rano izy ireo, dia hadinon’ny mpianatra ny nitondra mofo.


Dia nieritreritra izy ireo ka nanao anakampo hoe: «Noho isika tsy nitondra mofo izay.»


Ary raha nahita ny Farisianina sy ny Sadoseanina betsaka nanatona ny bateminy izy, dia hoy izy taminy: «Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?


I Jesoa kosa nananatra azy nanao hoe: «Mitandrema tsara ianareo fandrao azon’ny lalivain’ny Farisianina sy ny lalivain’i Herôda.»


Tamin’izay dia tafangona an’arivony maro ny olona ka efa nila hifanosy mihitsy, dia niteny tamin’ny mpianany i Jesoa nanao hoe: Tandremo aloha indrindra sao voan’ny lalivain’ny Farisianina ianareo, izany hoe: ny fihatsarambelatsihy.


Ary hoy Izy tamin’ny olona: «Tandremo tsara sao azon’ny fahihirana ianareo, fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’izay ananany.»


Dia nifampilaza hoe ny mpianany: «Nisy olona nanati-javatra hohaniny angaha?»


Lalivay kely foana no mampivonto ny koban-dafarina manontolo.