Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 16:23 - Baiboly Katolika

Fa nihodina Izy ka nilaza tamin’i Piera hoe: «Mialà amiko, ry Satana! manafintohina Ahy ity ianao, satria tsy mihevitra araka ny hevitr’Andriamanitra, fa araka ny an’ny olona.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa Izy nihodina ka niteny tamin’i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fandrika ho Ahy ianao, satria tsy misaina izay an’Andriamanitra ianao, fa izay an’ny olona.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nitodika i Jesoa ary nanao tamin’i Petera hoe: –Mialà amiko, ry Satàna! Ndeha atsy aoriako! Mitarika Ahy amin’ny ratsy ianao, satria tsy hevitr’Andriamanitra no ao an-tsainao fa hevitr’olombelona.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nitodika i Jesoa ary nanao tamin’i Petera hoe: –Mialà amiko, ry Satàna! Ndeha atsy aoriako! Mitarika Ahy amin’ny ratsy ianao, satria tsy hevitr’Andriamanitra no ao an-tsainao fa hevitr’olombelona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa Izy nihodina ka niteny tamin’i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko hianao, satria tsy misaina izay an’Andriamanitra hianao, fa izay an’ny olona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa Izy nihodina ka niteny tamin'i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy misaina izay an'Andriamanitra ianao, fa izay an'ny olona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa Izy nihodina ka niteny tamin’i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fandrika ho Ahy ianao, satria tsy misaina izay an’Andriamanitra ianao, fa izay an’ny olona.

Jereo ny toko



Matio 16:23
19 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy izy tamin-dralehilahy: «Noho ianao nihaino ny tenin’ny vadinao, ka nihinana tamin’ny hazo norarako tsy hihinananao, dia voaozona ny tany noho ny nataonao. Asa mahasasatra no hahazoanao hanina aminy mandritra ny andro rehetra hiainanao.


Fa niteny kosa i Abisaia zanak’i Sarvià ka nanao hoe: «Tsy izany velively fa moa tsy vao mainka tokony hovonoina va i Semeià noho izy nanozona ny voahosotr’i Iaveh!»


Ary nitsangan-kamely an’i Israely i Satana ka namoky an’i Davida hanisa an’i Israely.


Dia ho fitoerana masina Izy, nefa koa ho vato fanafintohinana sy ho vatolampy mahasolafaka ho an’ny firenena roa amin’i Israely, ho fandrika aman-tonta ho an’ny mponina eny Jerosalema.


Ary naka Azy hitanila kely i Piera ka niteny Azy mafy hoe: «Sanatria, Tompo, raha hihatra aminao izany!»


Loza no hanjò an’izao tontolo izao noho ny fanafintohinana! fa tsy maintsy ho avy ny fanafintohinana, kanefa loza ho an’izay iavian’ny fanafintohinana!


Fa izao no navalin’i Jesoa azy: «Mandehana, ry Satana, fa efa voasoratra hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao ary Izy irery ihany no hotompoinao.»


Fa nihodina nijery ny mpianany Izy, ary niteny mafy an’i Piera hoe: «Mialà amiko, ry Satana, satria tsy mihevitra araka an’Andriamanitra ianao, fa araka ny olombelona.»


Fa izao no navalin’i Jesoa azy: «Efa voasoratra hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao»


ary izahay efa nino sy nahalala fa Ianao no ilay Masin’Andriamanitra.»


Ka aoka tsy hifampitsara intsony isika rehetra; fa izao no tsarao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan’ny havana mpiray finoana.


Ny tsara, dia tsy mihinan-kena, na misotro divay, na manao na inona na inona izay hahatafintohina, na hahalavo, na hahalemy ny mpiray finoana aminao.


Fahaverezana no hiafaran’ireny, fa ny kibony no andriamaniny, ny tokony hampahamenatra azy no ireharehany, ny zavatry ny tany no hany ankamamîny.


ny zavatra any ambony no ankafizo, fa aza ny zavatry ny tany.