Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 14:23 - Baiboly Katolika

ary rehefa nampirava ny vahoaka Izy, dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana; ka nony alina ny andro, dia Izy irery no teo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa avy nandrava ny vahoaka Izy dia niakatra tao an-tendrombohitra mba hitokana hivavaka; nony hariva ny andro dia nitoetra irery teo Izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Rehefa avy nandefa ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hitokana hivavaka. Nony maizina ny andro, dia i Jesoa irery sisa teo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Rehefa avy nandefa ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hitokana hivavaka. Nony maizina ny andro, dia i Jesoa irery sisa teo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary rehefa noravany ny vahoaka, dia niakatra tao an-tendrombohitra Izy mba hitokana hivavaka; ary nony hariva ny andro, dia nitoetra irery teo Izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary rehefa noravany ny vahoaka, dia niakatra tao an-tendrombohitra Izy mba hitokana hivavaka; ary nony hariva ny andro, dia nitoetra irery teo Izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa avy nandrava ny vahoaka Izy dia niakatra tao an-tendrombohitra mba hitokana hivavaka; nony hariva ny andro dia nitoetra irery teo Izy.

Jereo ny toko



Matio 14:23
11 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay i Jesoa sy ny mpianany dia tonga tao amin’ny saha anankiray atao hoe Getsemanỳ, ary hoy Izy tamin’ny mpianany; «Mipetraha eto ianareo, raha mbola mankany hivavaka Aho.»


Fa ianao kosa raha hivavaka, dia midira ao amin’ny efitranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavarana dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny mangingina, ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao.


Nony ampitso nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany amin’ny tany mangingina, ka nivavaka tany.


ary rehefa avy nanao veloma ny olona Izy, dia nankany an-tendrombohitra mba hivavaka.


Tamin’ilay natao batemy iny ny vahoaka rehetra dia natao batemy koa i Jesoa, ka raha mbola nivavaka Izy dia nisokatra ny lanitra;


Izy kosa anefa amin’izany dia nihataka nankany an’efitra ka nivavaka tao.


Ary tamin’izany andro izany, dia lasa tany an-tendrombohitra Izy mba hivavaka, ka nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina.


Indray andro, raha nivavaka tany amin’ny toerana mangingina Izy ka teo aminy koa ny mpianany, dia nanontany azy ireo Izy nanao hoe: «Ataon’ny vahoaka ho iza moa Aho?»


Rehefa tokony ho havaloana taorian’ny nilazany an’izany, dia nitondra an’i Piera sy i Jakôba ary i Joany Izy ka niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka.


ary izahay kosa hikely aina amin’ny fivavahana sy ny fitorian-teny.»