Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 12:7 - Baiboly Katolika

Raha fantatrareo mantsy ny hevitry ny teny hoe: Ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona, dia tsy ho nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa raha fantatrareo izay hevitry ny teny hoe: «Famindrampo no sitrako fa tsy fanatitra alatsa-dra» (Hos 6.6), dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Raha fantatrareo ny dikan’ity tenin’ny Soratra Masina ity hoe: «Ny hamindranareo fo amin’ny namana no sitrako, hoy Andriamanitra, fa tsy ny hanateranareo sorona», dia tsy hanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Raha fantatrareo ny dikan’ity tenin’ny Soratra Masina ity hoe: «Ny hamindranareo fo amin’ny namana no sitrako, hoy Andriamanitra, fa tsy ny hanateranareo sorona», dia tsy hanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa raha fantatrareo izay hevitry ny teny hoe: ,,Famindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-dra’’ (Hos. 6.6), dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny hianareo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa raha fantatrareo izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà (Hos. 6. 6), dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa raha fantatrareo izay hevitry ny teny hoe: «Famindrampo no sitrako fa tsy fanatitra alatsa-dra» (Hos 6.6), dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo.

Jereo ny toko



Matio 12:7
14 Rohy Ifampitohizana  

Nirehitra tamin’izy telo lahy sakaizany koa ny fahatezerany, satria tsy nahita teny tsara havaly azy izy ireo.


Fa nitsangana eo ankavanan’ny mahantra Izy hamonjy azy amin’izay manameloka azy.


Midodododo hamono aina ny marina izy ireo; ary manameloka ny ra tsy manan-tsiny.


Na izay manamarina ny meloka na izay manameloka ny marina, dia samy fahavetavetana eo imason’i Iaveh.


Fa ny fitiavam-bavaka no sitrako fa tsy ny sorona; ary ny fahalalana an’Andriamanitra mihoatra noho ny sorona dorana.


Ary hoy i Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: «Diso hevitra ianareo, satria samy tsy fantatrareo na ny Soratra Masina na ny herin’Andriamanitra.


Mandehana àry ianareo, ka fantaro ny hevitr’izao teny izao: Ny famindram-po no sitrako, fa tsy ny sorona; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.»


ka ny tia Azy amin’ny fo manontolo, sy amin’ny fanahy manontolo, ary amin’ny hery manontolo, ary ny tia namana tahaka ny tena, dia lehibe lavitra noho ny sorona dorana rehetra sy ny fanatitra hafa rehetra.»


satria ry zareo monina any Jerosalema sy ny lehibeny dia tsy nahalala Azy, ka nahatanteraka ny tenin’ny mpaminany izay vakina isan-tsabata, tamin’ny nanamelohany Azy;


Nanameloka sy namono ny olo-marina ianareo, fa tsy nanohitra anareo izy.


Fa efa voafora daholo ny vahoaka rehetra nivoaka, fa ny vahoaka rehetra teraka tany an’efitra, teny an-dalana kosa, hatramin’izay nivoahana tany Ejipta dia tsy voafora.


Fa hoy i Samoela: «Moa sitrak’i Iaveh tahaka ny fanekena ny tenin’i Iaveh va ny sorona dorana sy ny fanatitra? Tsara noho ny sorona ny fanekena, ary ny fanoavana noho ny saboran’ondralahy.