Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 12:22 - Baiboly Katolika

Tamin’izay nisy lehilahy azon’ny demony, sady jamba no moana, nentina teo aminy: dia nositraniny io, ka niteny sy nahita.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Noentina tany amin’i Jesosy koa ny lehilahy iray izay demoniaka sady jamba no moana; dia nositraniny ka niteny ilay moana sady nahita.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tamin’izay dia nisy lehilahy azon’ny demony nentina teo amin’i Jesoa. Jamba sy moana ralehilahy ka nositranin’i Jesoa ary dia niteny sy nahita.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’izay dia nisy lehilahy azon’ny demony nentina teo amin’i Jesoa. Jamba sy moana ralehilahy ka nositranin’i Jesoa ary dia niteny sy nahita.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

DIA nentina tany amin’i Jesosy ny lehilahy anankiray izay demoniaka, sady jamba no moana; dia nositraniny, ka dia niteny sy nahita ilay moana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nentina tany amin'i Jesosy ny lehilahy anankiray izay demoniaka, sady jamba no moana; dia nositraniny, ka dia niteny sy nahita ilay moana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Noentina tany amin’i Jesosy koa ny lehilahy iray izay demoniaka sady jamba no moana; dia nositraniny ka niteny ilay moana sady nahita.

Jereo ny toko



Matio 12:22
12 Rohy Ifampitohizana  

Hampianariko ny lalànao, ry zareo mandika azy, ka hiverina aminao indray ny mpanota.


Amin’izany andro izany, ny marenina handre ny tenin’ny boky, ary ny jamba hivoaka amin’ny haizina amana haizim-pito ka hahita.


Dia niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona tany aminy ny marary rehetra izay azon’ny aretina sy ny fijaliana samihafa, dia ny mararin-javatra, ny mararin’ny androbe, ny malemy, ka nositraniny ireny.


Ary raha mahita Azy koa ny fanahy maloto, dia miankohoka eo anatrehany, ka miantso hoe:


mba hampahiratra ny mason’izy ireo, hialany amin’ny maizina ho amin’ny mazava, sy avy amin’ny fahefan’i Satana ho amin’Andriamanitra, ka hahazoany famelan-keloka sy lova miaraka amin’ny olo-masina noho ny finoana Ahy.


Ary ny fisehoan’ilay ratsy, noho ny asan’i Satana dia homban’ny hery sy famantarana amam-pahagagana sandoka rehetra,