Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 10:12 - Baiboly Katolika

Ary raha vao miditra ao amin’ny trano ianareo, dia miarahabà hoe: Ho amin’ity trano ity anie ny fiadanana;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary raha vao miditra ao an-trano ianareo dia miarahabà ny olona ao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Vao miditra ny trano ianareo dia miarahabà hoe: «Ho ao aminareo anie ny fiadanana!»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Vao miditra ny trano ianareo dia miarahabà hoe: «Ho ao aminareo anie ny fiadanana!»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary raha vao miditra ao amin’ny trano hianareo, dia miarahabà ny ao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary raha vao miditra ao amin'ny trano ianareo, dia miarahabà ny ao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary raha vao miditra ao an-trano ianareo dia miarahabà ny olona ao.

Jereo ny toko



Matio 10:12
10 Rohy Ifampitohizana  

Hanjaka ao anatin’ny mandanao anie ny fiadanana, ary ao an-dapanao ny fanambinana.


Noho ireo rahalahiko aman-tsakaizako, dia mangataka fiadanana ho anao aho,


Ka na hihaino izy ireo, na tsy hihaino, - fa taranaka mpiodina izy - dia hahalala fa efa nisy mpaminany teo aminy.


Ary amin’izay tanàna na vohitra hidiranareo, dia anontanio izay mendrika hidiranareo ao, ka mitoera ao aminy ambara-pialanareo.


ka raha mendrika tokoa ny ao an-trano, dia ho tonga ao aminy ny fiadanana nantsoinareo; fa raha tsy mendrika kosa izy, dia hiverina aminareo ny fiadanana nantsoinareo.


Nampitondra teny tamin’ny zanak’i Israely Izy, mba hanambara fiadanana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, izay Tompon’izao rehetra izao.


Koa sady solon’i Kristy àry izahay no irak’Andriamanitra koa, ka tahaka an’Andriamanitra no mananatra, sy toy ny Tenan’i Kristy no mihanta aminareo hoe: Mihavàna re amin’Andriamanitra ianareo!


Fa manantena hahita anao faingana aho, ka dia hiresaka mifanatrika isika. Ho ao aminao anie ny fiadanana. Manao veloma anao ny sakaizantsika. Veloma any amin’ny sakaizantsika tsirairay avy.


Ary izao no lazao aminy: Ho ela velona anie ianao! Ho ao aminao anie ny fiadanana, ho ao amin’ny ankohonanao anie ny fiadanana, ho ao amin’ny zavatra rehetra anananao anie ny fiadanana.