Sahabo ho telo volana taorian’izany, dia nisy nilaza tamin’i Jodà hoe: «Nijangajanga i Tamara vinantovavinao; ary indro fa efa nanana anaka izy tamin’ny fijangajangana nataony.» Ka hoy i Jodà: «Avoahy izy ka aoka hodorana.»
Matio 1:19 - Baiboly Katolika Ary i Josefa vadiny, noho izy lehilahy marina sady tsy ta hanala baràka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta hanala baraka azy, dia nikasa hisaraka aminy mangingina. DIEM PROTESTANTA Olo-marina i Jôsefa vadiny, ka tsy te hanala baràka azy, fa nikasa hametraka azy mangingina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Olo-marina i Jôsefa vadiny, ka tsy te hanala baràka azy, fa nikasa hametraka azy mangingina. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina. Malagasy Bible Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina. La Bible en Malgache Ary i Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta hanala baraka azy, dia nikasa hisaraka aminy mangingina. |
Sahabo ho telo volana taorian’izany, dia nisy nilaza tamin’i Jodà hoe: «Nijangajanga i Tamara vinantovavinao; ary indro fa efa nanana anaka izy tamin’ny fijangajangana nataony.» Ka hoy i Jodà: «Avoahy izy ka aoka hodorana.»
Izao no tantaran’i Nôe: Lehilahy marina i Nôe, nanao ny rariny teo amin’ny olona niara-belona taminy, nizotra nifanaraka tamin’Andriamanitra i Nôe.
Raha misy lehilahy mandry sy miray amim-behivavy andevon’olona ka efa voafofon-dehilahy hafa, nefa mbola tsy voaavotra na afaka, dia hofaizina izy roaroa, nefa tsy hoheloin-ko faty, satria tsy olona afaka ravehivavy.
Raha misy lehilahy maka vadin’olona, ka mandry amin’ny vadin’ny namany, dia hatao maty izy ireo ho valin’izany, na ralehilahy naka vadin’olona na ravehivavy nalainy.
Dia hoy Izy: «Nomen’i Môizy alalana hanao taratasy fisaoram-bady sy hisao-bady ny lehilahy.»
noho ny tahotr’i Herôda an’i Joany izay hitany fa lehilahy marina sy masina, ka narovany sady narahiny hevitra tamin’ny zavatra maro, sy nohenoiny tamin-kafaliana.
Ary indro, nisy lehilahy atao hoe Simeôna tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fanalana alahelo an’i Israely, ary tao aminy ny Fanahy Masina,
Ary hoy ny navalin’ireo: «I Kôrnely kapiteny, lehilahy marina sy matahotra an’Andriamanitra ary ankasitrahin’ny Jody rehetra, no nahazo teny tamin’ny Anjely masina anankiray mba hampaka anao ho any an-tranony, sy hihaino ny teninao.»
Nony nazava ny andro, dia tsy fantatr’izy ireo ny tany teo; fa helo-drano anankiray tsara morona izay no hitany, dia teo no nokasainy hampiantsonana ny sambo raha azony atao.
Noho izany fahatokiana izany, tao aloha dia nikasa hankatỳ aminareo aho mba hahazoanareo soa indroa: