Marka 9:35 - Baiboly Katolika Ary nandray zaza anankiray Izy, napetrany teo afovoany, sy nofihininy, ary hoy Izy tamin’ny mpianany hoe: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa tafapetraka Jesosy dia niantso ny roa amby folo lahy Izy ka niteny taminy hoe: Raha misy te ho voalohany dia aoka izy no ho farany amin’izy rehetra sy ho mpanompon’izy rehetra. DIEM PROTESTANTA Dia nipetraka i Jesoa ary niantso ny 12 lahy ka nanao taminy hoe: –Raha misy te ho voalohany, aoka izy ho farany amin’ny olona rehetra ary ho mpanompon’ny olona rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nipetraka i Jesoa ary niantso ny 12 lahy ka nanao taminy hoe: –Raha misy te ho voalohany, aoka izy ho farany amin’ny olona rehetra ary ho mpanompon’ny olona rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa tafapetraka Jesosy, dia niantso ny roa ambin’ny folo lahy Izy ka nanao taminy hoe: Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin’izy rehetra sy ho mpanompon’izy rehetra izy. Malagasy Bible Ary rehefa tafapetraka Jesosy, dia niantso ny roa ambin'ny folo lahy Izy ka nanao taminy hoe: Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin'izy rehetra sy ho mpanompo'izy rehetra izy. La Bible en Malgache Rehefa tafapetraka Jesosy dia niantso ny roa amby folo lahy Izy ka niteny taminy hoe: Raha misy te ho voalohany dia aoka izy no ho farany amin’izy rehetra sy ho mpanompon’izy rehetra. |
Ary ianao kosa hitady zava-dehibe ho anao? Aza mitady izany, fa indro hahatonga loza amin’ny nofo rehetra Aho, - teny marin’i Iaveh, - fa ianao kosa homeko ny ainao ho babonao, any amin’izay fitoerana rehetra halehanao.
«Na iza na iza handray anankiray amin’ny zazakely toy itony amin’ny Anarako, dia handray Ahy, ary izay mandray Ahy dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy.»
Lazaiko aminareo fa ity no nidina efa nohamarinina, tany an-tranony, fa tsy ilay anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.»
fa aminareo kosa tsy mba toy izany, fa aoka izay lehibe aminareo no ho toy ny zandry, ary izay mandidy no ho toy ny mpanompo.
Lehibe toy izany koa anefa ny fahasoavana omeny, araka ny lazain’ny Soratra Masina hoe: Manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, fa manome fahasoavana ny manetry tena.