Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 9:27 - Baiboly Katolika

Nony tonga tany an-trano Izy, dia nanontanian’ny mpianany mangingina hoe: «Nahoana no tsy naharoaka azy izahay?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa nandray ny tanany kosa Jesosy ka nampiarina azy dia nitsangana izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa noraisin’i Jesoa ny tanan’ilay zaza hanarenany azy; dia tafatsangana tokoa izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa noraisin’i Jesoa ny tanan’ilay zaza hanarenany azy; dia tafatsangana tokoa izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa Jesosy nandray ny tànany ka nanarina azy; dia nitsangana izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa Jesosy nandray ny tànany ka nanarina azy; dia nitsangana izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa nandray ny tanany kosa Jesosy ka nampiarina azy dia nitsangana izy.

Jereo ny toko



Marka 9:27
11 Rohy Ifampitohizana  

Fa Izaho Iaveh Andriamanitrao, mitantana anao amin’ny tanana ankavanana, milaza aminao hoe: «Aza matahotra, Izaho no tonga mamonjy anao.»


Ary rehefa navoaka ny olona, dia niditra izy, ka nandray ny tanan’ilay zazavavy, dia nitsangana io.


Dia nanatona nandray ny tanany i Jesoa sy nanarina azy, dia afaka ny tazony ka nandroso sakafo ho Azy izy.


Nangoraka azy i Jesoa ka naninjitra ny tanany, dia nanendry azy sy nanao taminy hoe: «Mety Aho, madiova ianao.»


ary nandray ny tanany sy nilaza taminy hoe: «Talita, komỳ» izany hoe: «Ry zazavavy, hoy Aho aminao, mitsangàna.»


Dia noraisin’i Jesoa ny tanan’ilay jamba, ka nentiny nivoaka ny tanàna izy; nasiany rora ny masony, nametrahany tanana izy, ary nanontaniany raha mahita zavatra.


Fa noraisin’i Jesoa tamin’ny tanany izy, dia nareniny, ka nitsangana.


Ka hoy Izy taminy: «Tsy azo roahina afa-tsy amin’ny fivavahana sy ny fifadian-kanina izany karazan-demony izany.»


Noraisin’ny komandy tamin’ny tanany ilay zazalahy, nentiny nitanila kely, dia nanontaniany hoe: «Inona no holazainao amiko?»


Sady noraisiny tamin’ny tanany ankavanana izy sy natsangany. Natanjaka niaraka tamin’izay ny ranjony sy ny tongony,


Ary i Piera kosa nanolo-tanana azy, sy nampitsangana azy; dia niantso ny olona masina sy ny mpitondratena, ka nanolotra azy velona tamin’izy ireo.