Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 8:6 - Baiboly Katolika

Dia nasainy nipetraka tamin’ny tany ny vahoaka ary noraisiny ny mofo fito, ka nony vita ny fisaorana dia novakiny, sy nomeny hozarain’ny mpianany, ary nozarainy tamin’ny vahoaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nasainy nipetraka tamin’ny tany ny vahoaka. Ary nandray ny mofo fito Izy, koa rehefa nisaotra Izy dia novakiny ka natolony ny mpianany mba harosony; dia naroson’izy ireo ny vahoaka izany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nasain’i Jesoa nipetraka tamin’ny tany ireto vahoaka. Ary noraisin’i Jesoa ny mofo fito; ka rehefa avy nisaotra an’Andriamanitra Izy, dia nanapaka ny mofo sy nanome azy ny mpianany harosony; ary dia naroson’ireo tamin’ny vahoaka.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nasain’i Jesoa nipetraka tamin’ny tany ireto vahoaka. Ary noraisin’i Jesoa ny mofo fito; ka rehefa avy nisaotra an’Andriamanitra Izy, dia nanapaka ny mofo sy nanome azy ny mpianany harosony; ary dia naroson’ireo tamin’ny vahoaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nasainy nipetraka tamin’ny tany ny vahoaka; ary dia nandray ny mofo fito Izy, ka rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony ny mpianany mba harosony; dia narosony teny anoloan’ny vahoaka izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nasainy nipetraka tamin'ny tany ny vahoaka; ary dia nandray ny mofo fito Izy, ka rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony ny mpianany mba harosony; dia narosony teny anoloan'ny vahoaka izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nasainy nipetraka tamin’ny tany ny vahoaka. Ary nandray ny mofo fito Izy, koa rehefa nisaotra Izy dia novakiny ka natolony ny mpianany mba harosony; dia naroson’izy ireo ny vahoaka izany.

Jereo ny toko



Marka 8:6
18 Rohy Ifampitohizana  

Mbola teo am-pihinanana, dia nandray mofo i Jesoa, notsofiny rano sy novakiny, ary nomeny ny mpianany ka hoy Izy: «Raiso ary hano; Vatako ity.»


«Ary raha nizara ny mofo fito tamin’ny olona efatra arivo Aho, firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo?» «Fito,» hoy ireo taminy.


Ary Izy nanontany azy hoe: «Manana mofo firy hianareo?» «Fito» hoy izy ireo.


Ary nanana hazandrano madinika vitsivitsy koa izy, ka notsofiny rano dia nasainy nozaraina.


Sambatra ireo mpanompo tratran’ny tompony miambina raha tonga izy; lazaiko marina aminareo fa hisikina ny tompony ka hampipetraka azy hihinana, ary ho avy hampihinana azy.


Ary rehefa niara-nihinana izy ireo, dia nandray ny mofo Izy ka notsofiny rano sy novakiny, dia natolony azy ireo.


Dia hoy ny Reniny tamin’ny mpanompo: «Ataovy izay rehetra holazainy aminareo.»


nefa nisy sambo kely hafa maro avy any Tiberiady tonga tao akaikin’ny tany nanomezan’ny Tompo mofo hohaniny rehefa nisaotra Izy.


Ny mitandrina ny andro, dia mitandrina ho an’ny Tompo; ny mihinana koa, mihinana ho an’ny Tompo, satria misaotra an’Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana, tsy mihinana ho an’ny Tompo ihany koa, sady misaotra an’Andriamanitra izy.


Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amin-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.


Raha vao miditra ao an-tanàna ianareo, dia hahita azy, alohan’ny hiakarany eo amin’ny fitoerana avo hisakafoany, fa tsy hihinana ny vahoaka raha tsy efa tonga izy, satria tsy maintsy mitso-drano ny sorona izy aloha, izay vao mihinana, izay nasaina. Ka miakara izao fa mahita azy ianareo anio».